𝗠𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔 – 𝗑𝗔𝗛𝗔𝗭𝗒 π—™π—”π—‘π—žπ—”π—§π—’π—”π—©π—”π—‘π—” 𝗔𝗩𝗬 π—”π— π—œπ—‘`𝗑𝗬 π—™π—”π—‘π—π—”π—žπ—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—œπ—©π—’π—‘-π—§π—’π—˜π—₯𝗔𝗠-π—£π—œπ—§π—¦π—”π—•π—’π—”π—‘π—” 𝗠𝗔𝗑𝗨𝗔

272 0
✦Misokatra ara-panjakana eto Mandritsara ny Centre Médical Manua, satria mametraka ny 3P (Partenariat Public Privée) ny Minisiteran`ny Fahasalambahoaka. Nanambara Nuptia Ranjakamialina, tompon`andraikitra voalohany amin`ny toeram-pitsaboana ity fa miha mitombo ny mponina ka betsaka koa ny filana eo amin`ny fisitrahana tolotra ara-pahasalamana. Ny vahoaka anatin`ny distrikan`i Mandritsara rahateo dia tia manatona toeram-pitsaboana.
Ankilan`izany, ho fanomezana asa ireo tanora nahavita fianarana momba fitsaboana, eo koa ny fampiofanana arak`asa ho an`ny tanora. Ny hopitaly rahateo manana sekoly mpanofana Rasazy sy Infirmière. Mandray an-tanana sady am-pitiavana izay tonga ao aminy ny Centre médical Manua. Hiezaka hanatsara ny tolotra ao anatiny ny toeram-pitsaboana eo amin`ny sehatry ny fahasalamana izay. Tontosa androany zoma 21 febroary 2025, ny fanokafana ofisiany Centre Médical najoro ao Mandritsara vaovao. Nisy ny fanaovana tso-drano ny ivon-toerana. Tonga nanatrika izany ny solontenam-panjakana maro misy ao Madritsara.
Araka ny fahazoan-dalana avy amin`ny fanjakana afaka misehatra mikarakara ny rehetra momba ny MΓ©decine, fampiterahana, fanaovana vaksiny, Γ©chographie, fizahana marary, soin mΓ©dical, petite chirurgie, Torohevitra ara-pahasalamana.

Related Post

SAKARAHA SALAMA

Posted by - octobre 3, 2024 0
Niainga avy eto Sakaraha ny sidina voalohany amin’ny Drone nampitondraina Fanafody fanefitra (Vaccin), hoan’ireo CSB II any amin’ireo Kominina ato…

π…πŽπ‘π“-πƒπ€π”ππ‡πˆπ | 𝐂𝐇𝐑𝐑 π€πŒππŽπ€ππ€π“πŽ.

Posted by - avril 13, 2025 0
π…πŽπ‘π“-πƒπ€π”ππ‡πˆπ | 𝐂𝐇𝐑𝐑 π€πŒππŽπ€ππ€π“πŽ. —- Hofankalazana ny andro manerantany hoan’ny fahasalamana sy hofamaliana ireo fangatahana ary fanamafisana ny fiaraha-miasa efa…