MIKA RAKOTOMALALA | LAHARANA FAHA 4 | KAOMININA AMBATOLAMPY

170 0

Tamin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana lehibe, izay notanterahina tao amin’ny FJKM Ambatolampy,  no nanombohan’Andriamatoa Mika RAKOTOMALALA sy ireo mpanaradia azy

ny fampielezan-kevitra  teto amin’ny Commune Urbaine Ambatolampy

Vahoaka marobe no tonga namaly ny antso nataon’ity Kandida Ben’ny Tanàna anisan’ny Tanora indrindra ato amin’ny Faritra Vakinankaratra ity, vahoaka an’arivony izay niara-niombombava sy nitondra ambavaka ny hahatontosa soa ama-tsara izao fifidiana izay hatao izao.

Taorian’ny fotoam-bavaka, dia namonjy ny QG na ny Quartier Général teny Ambany Atsimo ny rehetra, ary teny no nilazan’Andriamatoa Mika RAKOTOMALALA, Kandida Ben’ny Tanana, izay laharana faha 4 ao anatin’ny Bileta Tokana fa mbola vonona hatrany izy ny hanandratra ny Kaominina Ambonivohitra Ambatalompy amin’ny toerana tsaratsara kokoa noho izao, ary hanohy hatrany ny ezaka efa natao. Betsaka ny efa vita hoy izy nanohy ny teniny, kanefa mbola maro ihany koa ny fikasana tsara mbola tiana ho tanterahina.

Raha tsiahivina ny lasa, dia izy no Ben’ny tanana nahavita fotodrafitr’asa maro indrindra teto anivon’ity Kaominina Ambonivohitra Ambatolampy ity, toy ny Fanantsarana sy fanamboarana Sekoly, ny lalana rarivato manerana ny tanana, ny fanomezana hazavana eraky ny Kaominina, ary mbola izy ihany koa no angady nanana sy vy nahitana ny fazahoana ny Biraon’ny Kaominina vaovao, izay Birao ny Kaominina tena manaraka ny fenitra tanteraka ; fa ankoatr’izay, dia maro ihany koa ny tohana nomeny hoan’ny tanora, toy ny fampiofanana maimaimpoana, ny fanohanana ny fanatanjahan-tena marolafy, baolina kitra, basket ball, ny taranja hay ady sy maro tsy voatanisa.

Tiana ny mampatsiahy fa ny Vovonana IRMAR no nanolotra azy, fa etsy andaniny kosa dia maro ireo Fikambanan’ny Tantsaha, Fikambanan’ny Tanora manao tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja amin’ny fampandresena azy, nambarany tsy niholaka moa ny hoe :

 »AMBATOLAMPY TSY MAINTSY MANDROSO »

Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐋𝐀𝐓𝐀-𝐕𝐎𝐋𝐎𝐍𝐎𝐍𝐃𝐑𝐘 : 𝐅𝐈𝐓𝐎𝐊𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐂𝐒𝐁 𝐈𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐄𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀

Posted by - septembre 22, 2024 0
𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐋𝐀𝐓𝐀-𝐕𝐎𝐋𝐎𝐍𝐎𝐍𝐃𝐑𝐘 : 𝐅𝐈𝐓𝐎𝐊𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐂𝐒𝐁 𝐈𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐄𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀 📌 Notokanana omaly ASabotsy 21 Septambra 2024 ny CSB II vaovao eto amin’ny…

𝐅𝐈𝐋𝐀𝐍𝐊𝐄𝐕𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐀𝐋𝐘 𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐀𝐎𝐌𝐁𝐎𝐊𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐕𝐎𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐑𝐀-𝐏𝐎𝐓𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍𝐘

Posted by - février 14, 2025 0
Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana ho an’ny filankevitra kaominaly eto amin’ny kaominina ambonivohitra Morondava izay tanterahana ao amin’ny biraon’ny filankevitra …