MIARAMILA 37 LAHY NO NAHAZO GALONA TATO AMIN’NY VONDRON-TAFIKA MORONDAVA

537 0
Nototosaina androany volalohan’ny volana octobre tao amin’ny vondron-tafika Morondava ny lanonana miiaramila izay fametrahana galona ny miiaramila 37 mirahalahy ka ny 5 tamin’ireo no nampiakarina amin’ny laharam-boninahitra sergent raha 32 kosa ireo lasa kaporaly izay teo ambany fitarihan’ny jeneraly ANDRIANTAOLO Honoré lehibem-pibaikoana ny farimpiarovana sy filaminana andrefana « Tsiribihina » sy ny lehibem-pibaikoana ny vondron-tafika Morondava ny colonel RAVERSON Mara Toditsara Marcel ; Izay notronon’ireo tomponan-draikim-panjakana ato Menabe nahitana ny sekretera jeneralin’ny faritra sy ny kaomandin’ny vodrotobim-pileovan’ny zandarmiaria ary ny talemparitry ny filaminambahoaka ary ny avy eo amin’ny fandraharahana ny fonja.
Entitra ny hafatra napetrak’ireo lehibe tamin’ireo vao nahazo galona dia ny hoe tsy zo tsy maintsy sitrahana ny fiakarana galona fa nohon’ny ezaka sy fitondran-tena ary fahaizana nataon’ny miaramila ary mitaky adidy sy andraikitra lehibe ny galona azo ka enga anie mba tsy handraraka ilom-by andoha ianareo hoy ny jeneraly ANDRIANTAOLO Honoré lehibem-pibaikoana ny farimpiarovana sy filaminana andrefana « Tsiribihina » fa hitondra ainga vao ho an’ny fitandroana filaminana ato Menabe sy Madagasika amin’ireo hambana mety hiseo .
Kitro sy andry ny tafika ianareo hoy ny lehiben’ny vondron-tafika Morondava colonel RAVERSON Mara Toditsara Marcel ka ny fihezehana sy ny fahitsiana no takiana aminareo
Nangonin’i RA PA

Related Post

👉𝐅𝐈𝐇𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 MIOFANA ATO MORONDAVA IREO MPIKAMBANA NY SRMV ANATIN’NY FARITRA MENABE

Posted by - mai 10, 2024 0
✅𝐌𝐢𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐑𝐌𝐕 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐬𝐚𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐛𝐢𝐫𝐚𝐨𝐦-𝐩𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐌𝐞𝐧𝐚𝐛𝐞 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨…