Marary ao amin’ny Tobin’ny Zandarimaria ny Depiote Fetra

365 0
👉 Marary ao amin’ny Tobin’ny Zandarimaria ny Depiote Fetra fa tsy misy mahazo mitsidika azy !
_____________
🔴 Mpitsabo iray ihany no neken’ny zandary hiditra ao amin’ny Tobiny na dia maro aza ireo hitsidika an’ny Solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona izay voalaza fa marary amin’izao noho ireo nataon’ny mpirongo fitaovam-piadiana taminy.
🔴 Na dia nandresy lahatra mba hihaona aminy aza ireo Depiote namany sy Loholona ary Kandidà filoham-pirenena dia tsy nanaiky an’izany ny Kolonely Tojo izay nifampiresaka tamin’izy ireo teo amin’ny vavahady.
🔴 Tsy nisy nahazo niditra araka izany ankoatran’ilay mpitsabo iray eny na ny fianakaviany aza. Tsiahivina moa niteny mahery an’iity Kolonely ity noho ny faharatran’ny vehivavy iray vokatry ny baomba ny Solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona teny Antaninandro ny asabotsy 04 novambra teo.
_________________
Rado, Radio Mangarahara

Related Post

𝐑𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚  𝐑𝐀𝐋𝐀𝐍𝐓𝐎𝐍𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐋𝐲𝐝𝐢𝐚   𝐧𝐨𝐦𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐕𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐭𝐨𝐤𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐧𝐲

Posted by - mars 28, 2025 0
Indroa miantoana amin’izao fotoana izao no nitantanan’i Ramatoa  𝐑𝐀𝐋𝐀𝐍𝐓𝐎𝐍𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐋𝐲𝐝𝐢𝐚  ny Kaominina Renivohitra Ifanadina, ao anatin’ny Distrika Ifanadina, ao amin’ny…