Marary ao amin’ny Tobin’ny Zandarimaria ny Depiote Fetra

339 0
👉 Marary ao amin’ny Tobin’ny Zandarimaria ny Depiote Fetra fa tsy misy mahazo mitsidika azy !
_____________
🔴 Mpitsabo iray ihany no neken’ny zandary hiditra ao amin’ny Tobiny na dia maro aza ireo hitsidika an’ny Solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona izay voalaza fa marary amin’izao noho ireo nataon’ny mpirongo fitaovam-piadiana taminy.
🔴 Na dia nandresy lahatra mba hihaona aminy aza ireo Depiote namany sy Loholona ary Kandidà filoham-pirenena dia tsy nanaiky an’izany ny Kolonely Tojo izay nifampiresaka tamin’izy ireo teo amin’ny vavahady.
🔴 Tsy nisy nahazo niditra araka izany ankoatran’ilay mpitsabo iray eny na ny fianakaviany aza. Tsiahivina moa niteny mahery an’iity Kolonely ity noho ny faharatran’ny vehivavy iray vokatry ny baomba ny Solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona teny Antaninandro ny asabotsy 04 novambra teo.
_________________
Rado, Radio Mangarahara

Related Post

𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀 𝐈𝐑𝐌𝐀𝐑 22 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐊𝐀

Posted by - septembre 22, 2024 0
𝐍𝐀𝐌𝐄𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐓𝐎𝐓𝐀-𝐓𝐀𝐑𝐀𝐓𝐀𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐓𝐒𝐀𝐇𝐀-𝐊𝐎𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀 𝐈𝐑𝐌𝐀𝐑 22 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐊𝐀 Tonga nanontrona ireo kandida ben’ny tanana IRMAR…