MANDRITSARA – TSY MISY NY FANDRAISANA ANDRAIKITRA ATAO AMIN`NY DOROTANETY ATAON`NY TOMPONANDRAIKITRA VOAKASIKA, HOY FIARAHAMONINA MANEHO HEVITRA

189 0

Mirongatra izay tsy izy ny trangana dorotanety ato anatin`ny distrikan`i Mandritsara. Manoloana tranga io dia tsy arenesam-peo ny tompon`andraikitra hoy ny solotena fiarahamonina raha niresaka tamin’ny mpanao gazety eto an-toerana.

Tsy misy ny fanentanana mialoha isorohana ny fanapotehana ny tontolo iaianana na eo anivony fiaraha-monina izany na eo amin’ny haino amanjery hoy izy ireo hatrany .Satria isany mampikaikaika ny fiarahamonina ny trangana dorotanety manodidina Mandritsara renivohitra izay mipaka amin’ny bé sy ny maro tsy resaka n’y fahatarany oranandro.

Tsy re feo manao fanentanana momba ireo fepetra raisina amin`izay fandorona tanety na mamotika ala ny tompon`andraikitra hoy hatrany ny fiarahamonina raha naneho hevitra manoloana ny dorotanety miseho etsy sy eroa manodidina tampon-tananan`i Mandritsara araka teniny izy ireo androany zoma 20 décembre 2024.

 Etsy andaniny nilaza ny lehibeny ala eto Mandritsara tamin’ny alarobia faha 18 décembre 2024 lasa teo amin’ny birao fiasany fa efa maro ezaka nataon’izy ireo tamin’ny fanentanana mikasika doro tanety izay ary hentitra izy ireo raha toa ka mahatratra ny olona amin’izany sy tsy misy fanelanelanana araka ny teniny tamin’ny mpanao gazety.

Nangonin`i Claudio

Related Post

Faritra Amoron’i Mania | nokoloina ireo zanaka hazo voavoly

Posted by - mai 11, 2025 0
𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐀𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐍𝐓𝐎𝐋𝐎 𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐕𝐀𝐈𝐍-𝐉𝐀𝐅𝐘 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀 𝑵𝑨𝑻𝑶𝑴𝑩𝑶𝑲𝑨 𝑻𝑨𝑴𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝑭𝑶𝑴𝑩𝑨 𝑶𝑭𝑰𝑺𝑰𝑨𝑳𝒀 𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑲𝑶𝑳𝑶𝑲𝑶𝑳𝑶𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑯𝑨𝒁𝑶 𝑽𝑶𝑨𝑽𝑶𝑳𝒀 ᴢᴏᴍᴀ…

𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀-𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎 𝐅𝐄𝐒𝐓𝐈𝐕𝐀𝐋 𝐃𝐄 𝐋𝐀 𝐁𝐈𝐎𝐃𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄́ 𝟖𝐄𝐌𝐄 𝐄́𝐃𝐈𝐓𝐈𝐎𝐍

Posted by - mars 4, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀-𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎 𝐅𝐄𝐒𝐓𝐈𝐕𝐀𝐋 𝐃𝐄 𝐋𝐀 𝐁𝐈𝐎𝐃𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄́ 𝟖𝐄𝐌𝐄 𝐄́𝐃𝐈𝐓𝐈𝐎𝐍 : 𝐍𝐈𝐇𝐄𝐍𝐀 𝟕% 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐇𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐀𝐙𝐎.   95 % ny fampidirambolany…