Manarintsoa Atsinanana | Zaza kely sahabo ho 2 taona, maty daroky ny Raikeliny

471 0

📌 Ny Alatsinainy 29 Janoary 2023 lasa teo, dia nisy zazakely maty nohon’ny daroka sy vono  nahazo azy tetsy Manarintsoa Atsinanana, fantatra fa  ilay lehilahy namono sy nahafaty an’ity zaza maty ity dia Raikeliny, manararaotra ny tsy maha eo an’ilay Renin’ilay zaza izy, izay miasa alina araka ny filazan’ny manodidina.

📌 Rehefa maro ny ranty naneho an’ity loza tsy roa aman-tany  teto amin’ny tambajotra Facebook dia nandray ny andraikiny avy hatrany  ny Polisim-pirenena, ka tsy niandry ela fa tra-tehaka avy hatrany ity Raikely nahavanon-doza ity.
 
📌 Nosamborina avy hatrany ilay raim-pianakaviana ary nentina namonjy ny Kaomisaria . Efa eo am-pelatanan’ny sampan-draharaha miady amin’ny heloka bevava kosa ny raharaha.
 
📷 : nalaina teto amin’ny Facebook
🆔 Nangonin’Lay Mahintsy

Related Post

Fandaharan’asa RINDRA

Posted by - septembre 30, 2024 0
Nanao ezaka hatrany ny Vondrona eoropeanina (UE), amin’ny alalan’ny Tahiry Eoropeanina ho an’ny fampandrosoana (EDF), amin’ny fanamafisana ny sehatry ny…

Distrikan’Ambatondrazaka | Akon’ny andron’ny 08 MARTSA

Posted by - mars 8, 2025 0
« 𝐅𝐢𝐭𝐨𝐯𝐢𝐚𝐧-𝐣𝐨 𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐳𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐬𝐲 𝐳𝐚𝐭𝐨𝐯𝐨 𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚 » Tsy nahasakana ny rehetra tsy hankalaza tao anatin’ny hafaliana sy…