MANAKARA FAMETAHANA SAMBOADIN’IREO BÉN’NY TANÀNA ATO ANATIN’NY FARITRA FITOVINANY

147 0

🔶 Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy androany sabotsy faha 22 martsa 2025 ny samboadin’ireo bén’ny Tanàna miisa 85 ato anatin’ny faritra Fitovinany izay avy Amin’ny Distrika Telo dia Vohipeno sy Ikongo Ary Manakara

🔶Tonga nametraka Izany tamin’ny fomba ofisialy ny ministra ny fitaterana sy ny famatarana ny toetr’andro Sady mpiahy ny faritra Fitovinany Andriamatoa Valérie RAMONJAVELO izay notronon’ireo mpikambana eo anivon’ny gouvernement Ramatoa SAHONDRARIMALALA Marie Michelle izay ministry ny fanabeazam-pirenena sy ireo iraka maventy avy amin’ny fitondrapanjakana ka nahitana ny Filoha lefitra ny antenimierandoholona misahana ny tapany Atsimo Nicolas RABEMANANJARA Ary ny Filoha ny antenimierampirenena misahana ny faritany Fianarantsoa Ramatoa FOMENDRAZA Haingo Elisiet ( Haingo Nambinina), ankoatra ireo solombavambahoakan’i Madagascar voafidy avy amin’ireo Distrika Telo izay mandrafitra ity faritra ity sy ireo olo manakaja sivily sy miaramila izay nasaina . Fa tazana nandritra ity ihany koa ny Talé jeneralin’ny vondrona SODIAT Mamy RAVATOMANGA sy ny gouveronoran’ny faritra roa mirahalahy avy ao Amin’ny Faritra Matsiatra Ambony sy Faritra Analamanga Hery RASOARIMAKA izay samy Nanome voninahitra ny lanonana.

🔶 Nitondra hafatra maventy Ary nitaky fiaramientan’ireo bén’ny Tanàna tsirairay moa ny ministra mpiahy raha nandray fitenenana nandritra ity androany ity Ary Nanome toromarika sy fampahafantarana ny tena hasiny Izany olom-boafidy Izany indrindra ny Maha zava-dehibe ny mitondra vahoaka . Nambarany fa Mila manana fomba fijery vaovao raha tehampandro ny Tanàna Naha lany azy ireo bén’ny Tanàna tsirairay mba ahatanteraka ny fampandrosoana izay nampanantenaina ny vahoaka nifidy , Ary farany dia Mbola nanamafy ny tenany fa vonona Ary ao andamosinareo mandrakariva ny fitondrapanjakana izay tarihan’andrimatoa Filoha ANDRY Nirina Rajoelina.

🔶Noho izany rehetra Izany dia velompisaorana ny fitondrapanjakana ireo bén’ny Tanàna vaovao Ary nampitondra hafatra tamin’ireo delegasiona hoan’i Andriamatoa Filohan’ny repoblika fa vonona hifanome tànana aminy ho fampandrosoana ny kaominina tsirairay izay nifidy azy ireo manomboka izao raha nambaran’ny solotenan’izy ireo Zay nandray fitenenana androany.

Nangonin’i Mamiko Seraphin

Related Post

𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀 𝐈𝐑𝐌𝐀𝐑 22 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐊𝐀

Posted by - septembre 22, 2024 0
𝐍𝐀𝐌𝐄𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐓𝐎𝐓𝐀-𝐓𝐀𝐑𝐀𝐓𝐀𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐓𝐒𝐀𝐇𝐀-𝐊𝐎𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀 𝐈𝐑𝐌𝐀𝐑 22 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐊𝐀 Tonga nanontrona ireo kandida ben’ny tanana IRMAR…

Nafana ny fandraisan’ny vahoakan’ny Kaominina Anjeva Gara ny Kandida N°3

Posted by - mai 26, 2024 0
𝐍𝐀𝐅𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐉𝐄𝐕𝐀 𝐆𝐀𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍𝐊𝐈𝐍𝐀 𝐋𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟑 – 𝐀𝐕𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐉𝐈𝐌𝐌𝐘 — Anio Alahady 26…

👉𝐅𝐈𝐇𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 MIOFANA ATO MORONDAVA IREO MPIKAMBANA NY SRMV ANATIN’NY FARITRA MENABE

Posted by - mai 10, 2024 0
✅𝐌𝐢𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐑𝐌𝐕 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐬𝐚𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐛𝐢𝐫𝐚𝐨𝐦-𝐩𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐌𝐞𝐧𝐚𝐛𝐞 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨…