MAMPIRAY SAINA NY MPONINA ANATIN`NY KAOMININA ENTINY NY BEN`NY TANANA ANTSOHA

337 0
✦Mamelona firaisankina sy fahazotoana hanatratra tanjona iraisana ny fisian`ny fifaninanana lalao baolina kitra karakarain`ny Kaominina ambanivohitra Antsoha tarihan`ny ben`ny tanana, Tianjara Arvel. Efa tapa-bola izay no nandeha ny lalao andraisan’ny fokontany 8 anjara anatin`ny kaominina Antsoha distrikan`i Mndritsara. Efa madiva ho farana izany, omaly alahady 11 aogositra 2024, tontosa ny lalao manasa-dalana nihaonan`ny ekipan`ny Antanjano nandresy 3 – 1 an`i Andranohorefo ary Ampondrabe nandavo 4 – 3 ekipan`i Ambodilengo.
Hiatrika famaranana amin`ny alahady ho avy izao ny ekipan`ny Antanjano sy Ampondrabe ka ao Antanjano no hatao ny lalao, omby lahy matavy iray no amboara iadiana amin`izany.
Vahoaka maro no resilahatra amin`ny fampiraisana vahoaka ao anatin`ny kaominina Antsoha izao ka manohana ny hetsika. Ankatoka fialantsasatra izao dia misy fialamboly ny tanora sy ny vahoaka izay mpijery ny lalao ka afapo amin`ny ezaka ataon`ny kaominina.
Nangonin`i Claudio

Related Post

𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐎 𝐓𝐒𝐈𝐇𝐎𝐌𝐁𝐄 𝐍𝐈𝐇𝐀𝐑𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐇𝐄𝐑𝐈𝐒𝐄𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐒𝐎𝐋𝐎𝐌𝐁𝐀𝐕𝐀𝐌𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀

Posted by - décembre 9, 2025 0
Zava-nitranga manafintohina sy mampalahelo no niseho indray tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. 𝐑𝐀𝐘𝐌𝐎𝐍𝐃 𝐉𝐞𝐚𝐧 𝐍𝐚𝐫𝐜𝐢𝐬𝐬𝐞, 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐠𝐚𝐳𝐞𝐭𝐲 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐑𝐍𝐌…