Mahavelona Foulpointe, 29 Martsa 2026 โ Nankalazaina tamim-pilaminana sy amim-pahatsiarovana lalina tao aminโny Kaominina Mahavelona Foulpointe, renivohitry ny Distrikanโi Toamasina Faharoa, ny tsingerintaona faha-79 nahatsiarovana ny Tolom-panafahana 29 Martsa 1947. Fotoan-dehibe eo aminโny tantaram-pirenena izay mbola manamarika ny fitiavan-tanindrazana sy ny fahavononanโireo Malagasy niaro ny fahaleovantenany izany.
Toy ny fanao isan-taona, nanomboka taminโny fametrahana fehezam-bonikazo teo aminโny tsangam-batonโny mahery fo ny lanonana, ho mariky ny fanajana sy ny fankasitrahana ireo razambe nanao sorona ny ainy ho anโny firenena. Nandray anjara taminโizany ireo tomponโandraiki-panjakana isan-tsokajiny, notarihinโny Lehibenโny Distrikanโi Toamasina Faharoa, Ramatoa Randrianarison Jessica Nancy, niaraka taminโireo manampahefana ara-panjakana sy ara-tafika ary ny solontenanโny vahoaka.
Nandritra ny lahateniny, nanasongadina ny lanjanโny fitadidiana ny tantara sy ny andraikitry ny taranaka ankehitriny aminโny fitohizanโny fanorenana firenena i Ramatoa Randrianarison Jessica Nancy. Nohamafisiny fa tsy tokony ho fahatsiarovana fotsiny ny 29 Martsa, fa tokony ho antso ho aminโny firaisankina, ny fitiavan-tanindrazana ary ny fanoloran-tena aminโny fampandrosoana maharitra.
Ankoatra izay, nisy ihany koa ny hetsika fanampiny nanamarihana ity andro manan-tantara ity, toy ny fotoam-bavaka sy ny fiaraha-mivavaka ho fahatsiarovana ireo lavo, ary koa ny hetsika ara-kolontsaina sy fanentanana natao ho anโny tanora mba hampitana ny lova ara-tantara sy hanamafisana ny fahatsapana maha-olom-pirenena.
Marihina fa ny 29 Martsa 1947 dia isanโireo pejy lehibe indrindra aminโny tantaranโi Madagasikara, fotoana nanehoanโny Malagasy ny herim-pony sy ny fitiavany tanindrazana teo anatrehanโny fanjanahantany. Na dia maro aza ny aina nafoy sy ny fahoriana niseho, dia mitoetra ho fototra iorenanโny fahaleovantenanโny firenena sy ny maha-izy azy ny lova navelanโireo mahery fo.
Aminโizao tsingerintaona faha-79 izao, dia mbola mitohy ny adidy sy andraikitry ny taranaka ankehitriny aminโny fitandroana izany fahaleovantena izany, aminโny alalanโny asa sy ny finiavana hanandratra anโi Madagasikara.
Nangonin’i Claudia Tsitolomy Tena Izy




