Mahavelona Ankazobe : Faritra mena amin’ny asan-dahalo

251 0
❌ Mahavelona Ankazobe : Faritra mena amin’ny asan-dahalo.Ampolony ny olona efa nalain’ny dahalo an-keriny.Lasibatry ny herisetra ny Zaza amam-behivavy ary vola be no takalon’aina❌
 
🛑Tao anatin’ny 2 volana izay,tsisy matory antrano intsony ny olona ao amin’ireo fokontany maromaro mandrafitra an’i Mahavelona Ankazobe noho ny asan-dahalo mahery vaika.
Mitsaoka any antsaha ireo mponina @ Alina matory raha toa ka reraky ny asa aman-draharaha eny ambanivohitra ny tontolo andro.
 
🚫Raha ny fantatra mitondra fitaovampiadiana mahery vaika(basy ) ireo dahalo rehefa manafika.ary manodidina ny 20 katramin’ny 30 lahy izy ireo no indray manao fanafihana Ary tsy mitsitsy fa mitifitra mamono ho faty mihitsy .
 
⛔Tsy mangalatra omby toy ny fanaony hatramin’izay anefa ireo dahalo fa olona no alain’izy ireo an-keriny.ary saika tovovavy avokoa izy ireo.ka angatahin’ny dahalo VOLA BE ny fianakavin’ireo nalaina an-keriny.
Ankoatran’ny fakana an-keriny dia manolana ihany koa ireo dahalo ary tsy mifidy na vavy antitra na vehivavy mitondra vohoka na ihany koa zatovo vavy.
 
⭕Ny tena mahagaga ireo mponina ao an-toerana dia toa verivery saina izay olona avotsotr’izy ireo aviany rehefa nisy fifampiraharana ara-bola.
 
📢Anisan’ny fokontany efa nahita faisana tamin’ity fampiorohoroina ataon’ny dahalo sy fakana an-keriny ity ny tao Andranokambana (Fihaonana), Ambohidranokely ary Ambohidrambano.
Mitaitaina mafy ankehitriny ny mponina ao amin’ny fokontany Antolojanahary sy Andranovelona ny amin’ny mety ho fahatongavan’ireo dahalo ao amin’ny misy azy ireo.
 
🛑Manao antso avo amin’nInfoCom Seg izay tompon’andraikitra afaka mijery faran’izay aingana ny zava-misy ao Ankazobe araka izany ny mponina ao an-toerana fa efa andoalika ny ranombary.🛑
 
‼️‼️Miangavy ireo mponina ao an-toerana MBA ho tanteraka tokoa ilay teny hoe: »Namanao ny zandary ».‼️‼️
*** Sary nindramina (fanehoana)
Nangonin’i Malala TSA

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗻𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗶𝗻𝗼 𝗦𝗶𝗹𝗮𝗺𝗼

Posted by - juillet 20, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗻𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗶𝗻𝗼 𝗦𝗶𝗹𝗮𝗺𝗼 (𝖭𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗓𝖺𝗒 𝗁𝗈 𝖿𝗂𝗅𝗈𝗁𝖺 𝗂𝗓𝗒 𝗂𝗋𝖾𝗈, 𝗏𝗈𝖺𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂 𝖠𝗅𝗒)…