Mahavelona Ankazobe : Faritra mena amin’ny asan-dahalo

305 0
❌ Mahavelona Ankazobe : Faritra mena amin’ny asan-dahalo.Ampolony ny olona efa nalain’ny dahalo an-keriny.Lasibatry ny herisetra ny Zaza amam-behivavy ary vola be no takalon’aina❌
 
🛑Tao anatin’ny 2 volana izay,tsisy matory antrano intsony ny olona ao amin’ireo fokontany maromaro mandrafitra an’i Mahavelona Ankazobe noho ny asan-dahalo mahery vaika.
Mitsaoka any antsaha ireo mponina @ Alina matory raha toa ka reraky ny asa aman-draharaha eny ambanivohitra ny tontolo andro.
 
🚫Raha ny fantatra mitondra fitaovampiadiana mahery vaika(basy ) ireo dahalo rehefa manafika.ary manodidina ny 20 katramin’ny 30 lahy izy ireo no indray manao fanafihana Ary tsy mitsitsy fa mitifitra mamono ho faty mihitsy .
 
⛔Tsy mangalatra omby toy ny fanaony hatramin’izay anefa ireo dahalo fa olona no alain’izy ireo an-keriny.ary saika tovovavy avokoa izy ireo.ka angatahin’ny dahalo VOLA BE ny fianakavin’ireo nalaina an-keriny.
Ankoatran’ny fakana an-keriny dia manolana ihany koa ireo dahalo ary tsy mifidy na vavy antitra na vehivavy mitondra vohoka na ihany koa zatovo vavy.
 
⭕Ny tena mahagaga ireo mponina ao an-toerana dia toa verivery saina izay olona avotsotr’izy ireo aviany rehefa nisy fifampiraharana ara-bola.
 
📢Anisan’ny fokontany efa nahita faisana tamin’ity fampiorohoroina ataon’ny dahalo sy fakana an-keriny ity ny tao Andranokambana (Fihaonana), Ambohidranokely ary Ambohidrambano.
Mitaitaina mafy ankehitriny ny mponina ao amin’ny fokontany Antolojanahary sy Andranovelona ny amin’ny mety ho fahatongavan’ireo dahalo ao amin’ny misy azy ireo.
 
🛑Manao antso avo amin’nInfoCom Seg izay tompon’andraikitra afaka mijery faran’izay aingana ny zava-misy ao Ankazobe araka izany ny mponina ao an-toerana fa efa andoalika ny ranombary.🛑
 
‼️‼️Miangavy ireo mponina ao an-toerana MBA ho tanteraka tokoa ilay teny hoe: »Namanao ny zandary ».‼️‼️
*** Sary nindramina (fanehoana)
Nangonin’i Malala TSA

Related Post

🔺 𝐍𝐈𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐌𝐁𝐀 𝐅𝐈𝐉𝐄𝐑𝐈𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐈𝐙𝐀𝐎 𝐅𝐈𝐇𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐌𝐎𝐍𝐈𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐎𝐍𝐆 𝐂𝐎𝐃𝐄 𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄🔺

Posted by - avril 10, 2024 0
👉𝑵𝒊𝒍𝒂𝒛𝒂 𝒓𝒂𝒎𝒂𝒕𝒐𝒂 𝑵𝒂𝒍𝒊𝒎𝒂𝒏𝒊𝒕𝒓𝒂 𝑹𝒂𝒗𝒐𝒔𝒐𝒏 𝒕𝒂𝒍𝒆𝒏’𝒏𝒚 𝑶𝑵𝑮 𝑪𝒐𝒅𝒆 𝑴𝒆𝒏𝒂𝒃𝒆 𝒇𝒂 𝒏𝒊𝒉𝒆𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒎𝒑𝒊𝒍𝒂𝒕𝒔𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒇𝒊𝒅𝒚 𝒔𝒂𝒕𝒓𝒊𝒂 𝒆𝒇𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒕𝒐𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂𝒌𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂…