Mahajanga | Olona roa namoy ny ainy nohon’ny faharendrehana lakana

236 0
Renim-pianakaviana 56 taona sy renim-pianakaviana 34 taona no samy namoy ny aina nandritra ny fahadoboana lakana TAVANDRA ZANAHARY ny tolakandron’ny sabotsy 14 desambra 2024, zazavavikely 4 taona no tsy mbola hita hatramin’ny anio alatsinainy.
Niainga tany Boeny Aranta kaominina Katsepy ny marainan’ io sabotsy io ny lakana nitondra mpandeha 11 raha ny fanazavan’ny fianakavian’ireo nodimandry, nikasa hihazo an’i Mahajanga.
Manandrify an’ Ankoriky fokontany Antrema kaominina Katsepy, andrefan’ny phare be no nisehoan’ny loza noho ny toetrandro ratsy.
Efa eo am-pelatanan’ny fianakaviany avokoa ny nofo mangatsiakan’ireo namoy ny ainy tamin’ity loza an-dranomasina ity.
Mitohy ny fikarohana ilay zazavavikely 4 taona
Isan’ny namoahan’ny APMF fampilazana fampiatoana ny fofamoivoizana an-dranomasina i Mahajanga tamin’io andron’ny sabotsy 13 desambra 2024 io saingy mbola nisy ihany ireo lakana nandeha.
📝 Nangonin’i AMPISAFIN’I BOENY

Related Post

𝗙𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗗𝗥𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔

Posted by - juin 16, 2025 0
𝐓𝐬𝐲 𝐞𝐤𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐚𝐬𝐚𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐦𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐁𝐞𝐥𝐨 𝐬𝐮𝐫 𝐓𝐬𝐢𝐫𝐢𝐛𝐢𝐡𝐢𝐧𝐚 Ny asabotsy faha 14 Jiona teo…