Mahajanga | Olona roa namoy ny ainy nohon’ny faharendrehana lakana

200 0
Renim-pianakaviana 56 taona sy renim-pianakaviana 34 taona no samy namoy ny aina nandritra ny fahadoboana lakana TAVANDRA ZANAHARY ny tolakandron’ny sabotsy 14 desambra 2024, zazavavikely 4 taona no tsy mbola hita hatramin’ny anio alatsinainy.
Niainga tany Boeny Aranta kaominina Katsepy ny marainan’ io sabotsy io ny lakana nitondra mpandeha 11 raha ny fanazavan’ny fianakavian’ireo nodimandry, nikasa hihazo an’i Mahajanga.
Manandrify an’ Ankoriky fokontany Antrema kaominina Katsepy, andrefan’ny phare be no nisehoan’ny loza noho ny toetrandro ratsy.
Efa eo am-pelatanan’ny fianakaviany avokoa ny nofo mangatsiakan’ireo namoy ny ainy tamin’ity loza an-dranomasina ity.
Mitohy ny fikarohana ilay zazavavikely 4 taona
Isan’ny namoahan’ny APMF fampilazana fampiatoana ny fofamoivoizana an-dranomasina i Mahajanga tamin’io andron’ny sabotsy 13 desambra 2024 io saingy mbola nisy ihany ireo lakana nandeha.
📝 Nangonin’i AMPISAFIN’I BOENY

Related Post

Amparafaravola, nitrangana Kidnaping

Posted by - juin 5, 2024 0
𝐋𝐀𝐇𝐈𝐋𝐀𝐋𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐋𝐀𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐊𝐈𝐃𝐍𝐀𝐏𝐏𝐈𝐍𝐆 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐈𝐑𝐀𝐍𝐎/𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐏𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀𝐕𝐎𝐋𝐀 Ny alin’ny Talata 04 Jona 2024 tokony ho tamin’ny sivy ora…