Raha mbola tsy voafafa akory ny aloky ny aretina COVID dia mihanaka sahady indray izao no areti-maso ao amin’ny faritri’ Maevatanana.
Olona miisa 6 izao no fantatra fa tratran’ity areti-mifindra amin’ny maso ity raha iny faritra iny. Misy amin’ireo no mponina ao Maevatanana fa misy kosa ny vahiny mandalo.
Atahorana noho izany ny fihanak’ity valan’aretina ity. Araky ny fanazavan’ny mpitsabo dia mifindra amin’ny alalan’ny tànana avy mikosoka maso marary ity aretina ity. (Fifampikasoana)
Nanome toro-hevitra ny tompon’andraikitra fa tsara raha manao solomaso mainty rehefa mivoaka ny trano hiarovana amin’ny herin’ny masoandro. Ialana ny fifampikasohana mivantana amin’ireo tratry ny aretina. .
Mila manantona mpitsabo raha misy ahiahiana mba hanaovana fitiliana sy mijery izay fanafody manasitrana ; .
Aleo misoroka toa izay mitsabo.
Nangonin’i MalalaTsaroana