Maevatanàna an-tampon-tanàna: Nanao fanambarana hanao hetsika fitakiana am-pilaminana

144 0
Maevatanàna an-tampon-tanàna: Nanao fanambarana hanao hetsika fitakiana am-pilaminana mahakasika ny olan’ny jiro sy rano tapatapaka lava ny solotenan’ny mpandraharaha sy ny tanora aty an-toerana.
👉 Niantso mpanao gazety ireo solotenan’ny mpandraharaha sy ny tanora eto Maevatanàna, mahakasika ny olan’ny jiro sy rano tapatapaka lava aty an-toerana.
👉 Nanome 24 ora mba hamahan’ny tompon’andraikitra eto amin’ny renivohim-paritra Betsiboka amin’ny resaky ny olan’ny jiro sy rano tapatapaka lava, ireo solotena voalaza etsy aloha no nanamafy izany tao anatin’ny fanambarana fa hatao rahapitso Alakamisy faha 02 Oktobra taona 2025, manomboka amin’ny telo ora tolakandro ny hetsika am-pilaminana, izay hataon’izy ireo miainga eny amin’ny  » Rond point  » eo akaikin’ny kianjan’ny 29 Marsa no sady mihodina ny tanàna.
👉 Talohan’izao fanambarana natao izao dia efa nanatitra ny taratasy fahazoan-dalana, teny amin’ny lapan’ny faritra Betsiboka sy ny tao amin’ny prefekitiora mba hanao ny hetsika am-pilaminana ireto farany, saingy mbola tsy nahazo fankatoavana avy amin’ireo tompon’andraikitra tandrify.
👉 Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa miantso ny mpitandro ny filaminana hatrany, ireo solotenan’ny mpandraharaha sy ny tanora misitraka jiro sy rano tapatapaka lava mba ho tonga eny kianja hijery, izay mety hisian’ny fandrobana sy fananaraotana mandritra ny tolona. Nilaza ihany koa ireto mahery fo eto Maevatanàna ireto, fa lasa vidin’ny mponina isam-pokontany indray ny rano avy amin’ny  » Kamiao Citerne mizara rano maimaimpoana teo aloha. « 
✍️ Zandry be Tantely

Related Post

ANKILIVALO, MAHABO MPANGALAJAZA 3 NO TRATRA KA MATY VOATIFITRA NY ROA

Posted by - décembre 22, 2023 0
𝐀𝐍𝐊𝐈𝐋𝐈𝐕𝐀𝐋𝐎, 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐁𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐆𝐀𝐋𝐀𝐉A𝐙𝐀 𝟑 𝐍𝐎 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐕𝐎𝐀𝐓𝐈𝐅𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐎𝐀 — 📌 Nitrangana hala-jaza tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankilivalo…