M O R O M B E || F A N O L O R A N A S A M B O

2 0
Sambo haingam-pandeha iray ho fiarovana ny sisi-tany sy ho ady atao amin’ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena ary hampiasaiana raha misy ny hamehana amin’ireo izay mila fitsaboana maika amin’ireo toerana saro-dalana, no natolotry ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Jono sy Toekarena Manga hoan’ny Distrikan’i Morombe, miampy fitaovana hoan’ireo mpanjono.
Fisaorana ny Fitondram-panjakana no lahateny nataon’ny Solombavambahoakan’i Morombe RAKOTOMALALA Biri Gombert amin’ireo fanampiana ara-pitaovana lafo vidy ireo vahoaka, niatrika izao lanonana izao moa ny Lehiben’ny Distrika sy ireo oloman-kaja sivily sy miaramila.
Izao moa no natao dia ny mba hanatanterahana hatrany ny Politika ankapobeny ny Fanajana, hoy hatrany ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, nanentana ihany koa ity mpikambana eo anivon’ny Governemanta ity ny tsy hampiasain’ireo mpanjono ny harato mostikera izay manimba ny zava-mananaina eny anaty rano.
Nangonin’i JOB

Related Post