Niditra tamin’ny andro faharoa ny Kongresim-paritry ny SONOSE/Mada ( Solidarité des Normaliens en Sciences de l’Education de Madagascar) Sofia androany talata 31 oktobra izay tontosaina eto Antsohihy.
Lohahevitra maro, tsy latsaky ny 06 no voafakafaka nandritra izao fankan-kevitra izao. Androany tamin’ny tapany maraina dia ny «Le droit syndical dans l’adminiatration publique malagasy» no novelabelarina sy nohazavaina tamin’ny mpizaika.
Mpahay lalàna, Nicolas Rabenandrasana, Sekretera Jeneralin’ny « Syndicat National des Administrateurs Civils » (SYNAD) izay efa Filohan’ny Sendikan’ny Mpirakidraharaha (Greffier) eto Madagasikara nandritra ny fe-potoam-pitondrana roa nifanesy no nitondra ny fanazavana.
Io lohahevitra “Zon’ny sendika eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana malagasy” io rahateo no fandalinana nataon’ity zanaka Sofia ity tamin’ny famitany ny fianarany teo anivon’ny ENAM.
Afapo ny mpizaika, liana tamin’ny famoaboasan-kevitra ity. Tanjona tamin’izany fampiofanana sy fizarana izany ny hahafantaran’ny mpikambana eo anivon’ny sendika (toy ny SONOSE izao) ny zony sy ny lafy tsaran’ny sendika.
Antenaina araka izany fa tsy handairan’ny teritery sy ramatahora mety hataon’ny mpanao an’izany intsony ireto mpampianatra mpanabe ireto.
Amin’izao vanimpotoan’ny fahavaratra izao dia mitohy hatrany ny fanetanana ataon’ny mpilatsaka antsitra_po ny Croix rouge Malagasy ato amin’ny Distrikan’ny Morondava…
📌 Nandritrin’ny fandalovan’ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena Andriamatoa Haja Resampa sy ny mpandrindra ny UNFPA eto Madagasikara ramatoa…