KITRA VEHIVAVY | NIBATA NY FANDRESENA INDRAY NY AC SABNAM

82 0

Tany amin’ny Renivohitry ny Faritra Matsiatra ambony, tao Fianarantsoa no tanterahina ny fiadiana ny tompon-dakan’ny Baolina Kitra Sokajy vehivavy, ahitana ekipa 11 mirahavavy tamin’ity taona 2025 ity.

Nialohan’ny niaingana teto amin’ny Sabotsy Namehana, Avaradrano, dia tonga nangata-tsodrano tamin’ny Filoha Mpanorina, Andriamatoa Avotraina ANDRIAMOSA ireto ekipa ireto, ary nahazo ny nagatahana dia handroso hambinina, hody hitndra babo. Tamin’izany no nifampirariantsoa mba hadrombaka ny Amboara aminy Ity taona 2025 .

Raha tsiahivina ny tantara  dia ny taona 2015 no nahazo ny amboara ny Madagasikara farany ny ny zanak’ Avaradrano. Marihina fa ao ligue VAKINAKARATRA no misy any ATLETICHE CLUB SABOTSY NAMEHANA na AC SABNAM  «

Nody ventiny tokoa ny rano natsakaina fa dia nandrobaka ny amboara indray ireto Mpanao Baolina Zazavavy ireto, ka tamim-pihobiana lehibe no nandraisan’ny Mponin’ny Sabotsy Namehana manontolo ireto Mahery fo ireto. Fitsenana nakotroka izay notarihin’ireo oloben’ny Tanana, nahitana ny Solombavambahoaka, ny Ekipa manontolon’ny Kaominina, ireo Mpisehatra amin’ny fanatanjahan-tena teto an-tanana.

Araka ny voalazan’Andriamatoa Avotra Andriamosa dia 9 taona aty aorina dia lasa nody any SABNAM ny amboara, ary teo no nanaraotiny nisaorana ireo Mpanohana ofisily ny ekipa, nahitana ny

  • – Transport COTISSE
  • – Groupe FANOMEZANA
  • – Entreprise MINO
  • – Coopérative 109
  • – Magasin Nanah
  • – Babi FOOD

Ary tsy hadinony ihany koa ny  nankasitraka ny Mpanazatra sy ny Mpilalao rehetra tsy hankanavaka satria dia lasantsika aty Sabnam ihany koa ny mpilalao mendrika sy ny mpanazatra mendrika ny taona 2025 Ity hoy ihany izy nanohy ny teniny.

Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

Mandritsara, mitohy ny ezaka fanarenana ny tontolo iainana

Posted by - juin 5, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐌𝐢𝐭𝐨𝐡𝐲 𝐧𝐲 𝐞𝐳𝐚𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐧𝐭𝐨𝐥𝐨 𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 (𝑯𝒂𝒎𝒆𝒕𝒓𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒆𝒕𝒊𝒌𝒂𝒔𝒂 𝒊𝒂𝒓𝒐𝒗𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒐𝒏𝒕𝒐𝒍𝒐 𝒊𝒂𝒊𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒐 𝑴𝒂𝒓𝒐𝒕𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒏𝒐, 𝒎𝒊𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒕𝒊-𝒃𝒐𝒍𝒂 𝒏𝒂𝒑𝒆𝒕𝒓𝒂𝒌𝒂…