Kandida N°03 tao Antsirabe

285 0

Hiraikitra lalandava ato am-poko ity fotoana niarahantsika teto #Antsirabe ity. Tsy nahasakana antsika ny orana nikija. Izao ilay tena hoe tia amin’ny fo manontolo. Tia ahy ianareo eto Antsirabe, izaho koa dia tia anareo manokana. Satria teto no tanana nahaterahako, teto no tananan’ny fahazazako.

Tsy ho voatanisa ireo rehetra naorintsika teto. Nahakasika ny sehatra sy ny sokajin’olona rehetra izany. Maro ihany koa ireo efa natomboka ary isika no tsy maintsy hamarana izany.
Hita maso teto tokoa fa na inon-kidona, na inon-kihatra, na orana mikija, eny fa na hisy tafiotra mafy aza dia tsy misy afaka hampisaraka antsika. Hiaraka amiko ianareo, izaho koa hiaraka aminareo hampandroso an’i Madagasikara.

𝗜𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗿𝗲𝗵𝗲𝘁𝗿𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗶𝗻𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗲𝘀𝘆
#MadagasikaraTsyMaintsyMandroso

Related Post

FAMPIELEZAN-KEVITRA 𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐈𝐇𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐄𝐅𝐀𝐍𝐀

Posted by - mai 10, 2024 0
𝐄𝐟𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐥𝐚𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚 𝐡𝐨 𝐟𝐢𝐝𝐢𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐬𝐨𝐥𝐨𝐦𝐛𝐚𝐯𝐚𝐦𝐛𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐧’𝐢 𝐀𝐦𝐩𝐚𝐧𝐢𝐡𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐞𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐡𝐢𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐨𝐦𝐢𝐧𝐢𝐧𝐚 19 𝐓𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐨𝐚 𝐧𝐨 𝐡𝐢𝐟𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚,…