Kandida N°03 tao Antsirabe

219 0

Hiraikitra lalandava ato am-poko ity fotoana niarahantsika teto #Antsirabe ity. Tsy nahasakana antsika ny orana nikija. Izao ilay tena hoe tia amin’ny fo manontolo. Tia ahy ianareo eto Antsirabe, izaho koa dia tia anareo manokana. Satria teto no tanana nahaterahako, teto no tananan’ny fahazazako.

Tsy ho voatanisa ireo rehetra naorintsika teto. Nahakasika ny sehatra sy ny sokajin’olona rehetra izany. Maro ihany koa ireo efa natomboka ary isika no tsy maintsy hamarana izany.
Hita maso teto tokoa fa na inon-kidona, na inon-kihatra, na orana mikija, eny fa na hisy tafiotra mafy aza dia tsy misy afaka hampisaraka antsika. Hiaraka amiko ianareo, izaho koa hiaraka aminareo hampandroso an’i Madagasikara.

𝗜𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗿𝗲𝗵𝗲𝘁𝗿𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗶𝗻𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗲𝘀𝘆
#MadagasikaraTsyMaintsyMandroso

Related Post

Voapetraka ny taratasin’ny Fandrava

Posted by - avril 7, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 |𝐓𝐚𝐟𝐚𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐫𝐚𝐭𝐚𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚𝐧-𝐤𝐨𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧’𝐢 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐕𝐀 — Anio Alahady 7 Avril 2024 (11h50) Tafapetraka ny atoandro teo ny taratasy filatsahan-kofidiana…

𝟳 𝗙𝗘𝗩𝗥𝗜𝗘𝗥 𝟮𝟬𝟬𝟵 -𝟳 𝗙𝗘𝗩𝗥𝗜𝗘𝗥 𝟮𝟬𝟮𝟱 »

Posted by - février 7, 2025 0
 » 𝑻𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒕𝒚 𝒂𝒕𝒐 𝒂𝒏-𝒕𝒔𝒂𝒊𝒌𝒐 𝒂𝒓𝒚 𝒎𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒕𝒊𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒌𝒐 𝒏𝒚 𝒓𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒃𝒂𝒏𝒈𝒂 𝒏𝒂𝒗𝒆𝒍𝒂𝒏’𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒉𝒂𝒗𝒂𝒏𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒍𝒂𝒗𝒐 𝒉𝒐 𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑻𝒂𝒏𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒛𝒂𝒏𝒂 »…