JEET KUNE DO ANTSIRABE: NANAMARIKA NY FAHA-30 TAONANY

537 0

Nankalaza ny faha 30 taona nijoroany ny Hay ady Jet Kune do de Madagascar ny faha 27 Martsa 2024 lasa teo, ka tany Antsirabe, Renivohitr’i Vakinankaratra ,ao amin’ny efitrano malalaky ny Espace Rojo no nanamarihana izany ary nisolotena ny Governora Atoa Randriamparany Jean Pierre (Mpanolontsaina). Izay tonga an’ity  nanatontosana fankazalana ity. Ankoatrin’ny filaharam-be nanodidina ny tanana nataon’ireo Mpikatroka izay tonga marobe manerana ny Nosy sy ny hetsika samy hafa nentina nanamarihana izany dia nisy ireo lahateny samy hafa nentina nampahafantarana ity Hay ady nolovaina tamin’i Buce Lee ity.

 Haiady nosintonina tamin’ny fomba fisainan’ny mpamorona haiady iray dia ‘’Bruce Lee” ny Jeet kune Do JKD, ankoatrany ‘ny maha haiady azy mifototra amin’ny fiarovan-tena dia mametraka toetsaina mankany amin’ny fandresena hatrany ny “Jeet Kune Do,tany amin’ny taona 1967 no niforoanan’ny JKD ary ankehitriny efa tena mipariaka manerana izao tontolo izao. Raha ny an’i Madagasikara manokana no asian-teny dia ny Grand Maitre Michel na i RASOANAIVO Michel no nitondra izany teto, ary efa miparitaka manerana an’i Madagasikara.

« Mirehareha  hatrany I Vakinankaratra amin’ny fanananay atleta sangany amin’ity karazam-panatanjahantena » ity hoy Andriamatoa Randriamparany Jean Pierre Mpanolontsainan’i Faritra Vakinankratra raha nandray fitenenana, ary mnirary soa sy fahombiaza hatrany hoan’ny JKD koa ny tenany.

Nangonin ‘Lay Mahintsy

 

Related Post

𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐎 𝐙𝐀𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎-𝐃𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐈𝐆𝐘 𝐕𝐀𝐊𝐈𝐍𝐀𝐍𝐊𝐀𝐑𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐉𝐀 𝐁𝐀𝐒𝐊𝐄𝐓 𝐁𝐀𝐋𝐋

Posted by - mai 27, 2025 0
𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐎 𝐙𝐀𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎-𝐃𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐈𝐆𝐘 𝐕𝐀𝐊𝐈𝐍𝐀𝐍𝐊𝐀𝐑𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐉𝐀 𝐁𝐀𝐒𝐊𝐄𝐓 𝐁𝐀𝐋𝐋 | 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐄𝐓𝐑𝐀 𝐑𝐀𝐓𝐒𝐘 𝐇𝐀𝐅𝐈𝐓𝐒𝐎𝐊𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 𝐍𝐎…