Iza moa Abou Mohamed Al-Joulani?

199 0
Iza moa Abou Mohamed Al-Joulani?
Mpitarika ny Jihaddistes vao nananjera ny Fitondràn’i Bachar el-Assad ?
Ahmad Hussein al-Chara, no tena anarany Ary teraka tao Deraa t@ taona 1984 (39-40 taona).
Isany mpitarika an’ny Al-Qaeda ( Ilay fototra,) tany Irak – (2003-2006)
Isany mpitarika ny Daesh Fanjakana Islamika ao Iraka (2006-2012)
Mpitarika ny Al-Nusra Front (2012-2016)
Fatah al-Sham Front (2016-2017)
Hayat Tahrir al-Sham (nanomboka ny taona 2017)
Ny tanjona nambarany dia ny hanoloana ny fitondrana Alawite eo amin’ny toerany ao Damaskosy amin’ny fanjakana manaja ny lalàna Sharia saingy lazainy fa “tony antonony” sy manaja ny vitsy an’isa. Saingy tsy izany no nitranga tamin’ny Druze an’i Jabal as-Summaq tao amin’ny faritanin’i Idlib tamin’ny taona 2015 izay voatery niova fo. Ankoatra izany, dia tsy misy afa-tsy 300 ny Kristianina tavela ao amin’io faritra io amin’ireo 10 000 nonina tao. Ny Armeniana ihany koa no niharan’ny Al-Nusra Front tamin’ny taona 2014.
Farany, nolavin’i al-Joulani hatrany ny rafitra demaokratika izay heveriny ho mifanohitra amin’ny finoana silamo.

Related Post

𝐌𝐀𝐎𝐑𝐈𝐒𝐘 : 𝐍𝐚𝐭𝐬𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐫𝐚𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐃𝐢𝐚𝐬𝐩𝐨𝐫𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐂𝐡𝐚𝐦𝐛𝐫𝐞 𝐝𝐞 𝐂𝐨𝐦𝐦𝐞𝐫𝐜𝐞

Posted by - décembre 8, 2025 0
Tontosa ny 07 Desambra 2025 tao Beau-Bassin ny fihaonana ofisialy voalohany nataon’ny 𝐃𝐢𝐚𝐬𝐩𝐨𝐫𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐨𝐫𝐢𝐬𝐲, ka nanamarika dingana vaovao…