GROUPEMENT MELAKY BRIGADE MAINTIRANO | Lehilahy nanolana zaza tsy ampy taona voasambotra

285 0

. Ny alatsinainy 18 febroary 2024 Voasambotry ny zandary tao amin’ny kaominina ambanivohitra Betanatanana distrika Maintirano ny lehilaly iray 30 taona tompon’antoka tamin’ny fanolanana zazavavy kely vao 3 taona monja.

Raha fintinina ny zava-nitranga, Ny zoma hariva tokony tamin’ny 06 Ora dia namonjy fiaretan-tory ( fiandrasam-paty ) tao amin’ny fokontany Morima kaominina ambanivohitra Betanatanana distrika Maintirano ity lehilaly nahavanon-doza ity, voalazany anefa nandritra ny fakana am-bavany azy fa nohon’ny hamamoana diso tafahoatra no nanosika azy hahavita fihetsika mamohehatra tamin’ilay zazakely.

Avy hatrany dia nalefa any Maintirano ilay zaza notsaboina sy noraisina an-tanana manokana, Efa tanana hatao famotorana eny amin’ny tobin’ny zandary ilay nahavanon-doza.

Nangonin’i Antena

Related Post

RAHARAHA FANAPOHANA SOLIKA

Posted by - octobre 22, 2024 0
Olona 24 tompon’antoka no voasambotry ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam_pirenenana taorian’ny fidinana ifotony natao tamina tokatrano 10…