Zavadehibe ny fanohanana ireo atleta ara_panatanjahatena amin’ny lafiny maro mba ahafahana mba ahafahany manana fifantohana amin’ny fifaninana izay ataony ka ahazoana vokatra tsara.
Tafiditra ao anatin’ny vina apetraky ny vondrona JCR Vaniala indrindra ny fanomezana torolalana ireo tanora sahirana amin’ny fitadiavana asa sy ny fanohanana ny lafiny fanatanjahantena.
Manana vokatra ara_pahasalamana natokana ho an’ireo mpanao fanatanjahantena toy ny fortifiant,complement alimentaire, baume ary ny maro samihafa indrindra izy ireo .
Efa nahitam_bokany rahateo ny fampiasana izany tamin’ny fanohanan’izy ireo an’i Zo ANDRIAMBOLOLONA, ekipa nasionaly malagasy taranja Judo izay hiatrika championnat de Madagascar Judo ary hiatrika championnat d’Afrique amin’ny taranja Jujitsu ato ho ato.
Hatramin’ny taona 2025 no hanohana azy ny vondrona JCR ka hanome vokatra ahafahany miatrika fifaninanana raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ity vondrona ity androany nandritra ny fandraisany ity atleta ity teny amin’ny foiben_toerany.
M.Elvina