Ho tohin’ny fampandriantany ao Ankarana sy Iabohazo dia nalefa hisava ny ala tao Marovandrika sy Maheritraka kaominina Iabohazo izay mahavery dia matetika ny omby ny zandary sy miaramila mpampandry tany ny 29 febroary 2024 vao maraina.
Vao nahita azy ireo ny dahalo niandry izany dia nirifatra nandositra fa navelany teo ireo omby 20 nentiny izay navorin’ny mpitandro filaminana.
Noroasina ary nampidirina ambala famonjana ao Maropanahy ireo omby 20 miandry izay mety ho tompony miaraka amin’ny taratasy fanamarinana. Ny zandary sy miaramila miaraka amin’ny vatandehilahy no miantoka ny fiambenana.
Mitohy ny fikarohana ireo zohy fanafenana omby halatra hafa.