Gasikara Fenosoa | Vita ny fakana ambavany

624 0
Naharitra ora 4 be izao ny fakana am-bavany an’i Gasikara Fenosoa, Mpanao Gazety ao ami’ny Real Tv, tetsy amin’ny Borigadin’ny Zandarmariam-pirenena tetsy fiadanana androany.
Tonga nankahery sy nanotrona azy ireo Mpanao Gazety marobe, nahitana ny Gazety ambava, an-tsoratra, ary ny Mpanao Gazety an’habaka. Nisolon-tenany Gazety an’habaka www.feonydemokrasia.mg teny i ‘Lay Mahintsy.
 
Tazana teny ihany koa Ramatoa Filohan’ny Olafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara, Ramatoa RASOLOARISOA Monica, izay niara-niditra tao amin’ny efitrano nakana ambavany an’i Gasikara Fenosoa, niaraka tamin’ny Mpisolo vava azy.
 
Tamin’ny 1 ora tolakandro no vita ny fanadihadiana tamin’ny mpanao gazety Gascar Fenosoa, ary dia ny nisaotra ireo namana no nataony voalohany.
 
Raha hiverenana dia Ny fandaharana l’Invité du Jour niarahana tamin’i Christian Tabera ny Alatsinainy 4 Desambra teo no nanaovana fanadihadiana azy hoy ny mpisolo vava Eric Rafidison
Nangonin’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝗙𝗜𝗛𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗣𝗜𝗞𝗔𝗠𝗕𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 « 𝗔𝗦𝗦𝗢𝗖𝗜𝗔𝗧𝗜𝗢𝗡 𝗣𝗥𝗢𝗙𝗘𝗦𝗦𝗜𝗢𝗡𝗡𝗘𝗟𝗟𝗘 𝗗𝗘 𝗟𝗔 𝗣𝗥𝗘𝗦𝗦𝗘 𝗘𝗡 𝗟𝗜𝗚𝗡𝗘 » (𝗔𝗣𝗣𝗘𝗟) 𝗧𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗠𝗔𝗧𝗢𝗔 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗜𝗠𝗜𝗘𝗥𝗔𝗡𝗗𝗢𝗛𝗢𝗟𝗢𝗡𝗔

Posted by - mars 14, 2025 0
𝗙𝗜𝗛𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗣𝗜𝗞𝗔𝗠𝗕𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 « 𝗔𝗦𝗦𝗢𝗖𝗜𝗔𝗧𝗜𝗢𝗡 𝗣𝗥𝗢𝗙𝗘𝗦𝗦𝗜𝗢𝗡𝗡𝗘𝗟𝗟𝗘 𝗗𝗘 𝗟𝗔 𝗣𝗥𝗘𝗦𝗦𝗘 𝗘𝗡 𝗟𝗜𝗚𝗡𝗘 » (𝗔𝗣𝗣𝗘𝗟) 𝗧𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗠𝗔𝗧𝗢𝗔 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗜𝗠𝗜𝗘𝗥𝗔𝗡𝗗𝗢𝗛𝗢𝗟𝗢𝗡𝗔 Ny faha 12 Martsa 2025…

𝗛𝗔𝗙𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’I 𝗝𝗘𝗡𝗘𝗥𝗔𝗟𝗬 𝗥𝗔𝗩𝗔𝗟𝗢𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔

Posted by - octobre 3, 2025 0
𝗔𝗩𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗘𝗠𝗔𝗛𝗔𝗩𝗔𝗧𝗥𝗦𝗘 𝗘𝗟𝗔𝗛𝗜𝗦𝗔𝗢𝗥𝗘 ; 𝗖𝗼𝗻𝘀𝘂𝗹𝘁𝗮𝗻𝘁 𝗲𝗻 𝗱𝗲́𝘃𝗲𝗹𝗼𝗽𝗽𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗦𝗼𝗰𝗶𝗼 𝗘𝗰𝗼𝗻𝗼𝗺𝗶𝗾𝘂𝗲 : 𝑨𝒛𝒂 𝒎𝒊𝒋𝒂𝒃𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒕𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒍𝒂𝒎𝒊𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒐𝒌𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒂𝒇𝒂𝒏𝒈𝒂𝒓𝒐…