FREEDOM ANTSIRABE I : NOELY FIFANAMPIANA

170 0
Nizara kilalao ho an’ireo ankizy kely sy entana ilaina andavanandro na PPN ho an’ireo tokantrano tena marefo ao Antsirabe I, ny Antoko FREEDOM notarihin’ny Filoha Nasionaliny, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY.
 
Tahaka ny fanaony rehefa ankatoky ny vanim-potoanan’ny Noely tahaka izao dia taty Antsirabe indray no nosafidian’ny Antoko nanaovana asa soa fifampizarana tamin’ireo mpiray tanindrazana sahirana.
 
« Manao valim-babena hatrany satria mahatsiaro manana adidy amin’ny maha-vato nasondrotry ny tany » hoy Ramatoa Filoha Nasionalin’ny Antoko, izay tsy manadino mihitsy ny faritra Vakinankaratra, indrindra Antsirabe izay niaviany.
 
(FREEDOM Sampana Vakinankaratra, Tranompokonolona Antampontanana Antsirabe, Talata 19 desambra 2023).

Related Post

𝐋𝐀𝐕𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐀𝐋𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐈𝐌𝐀𝐑𝐈𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐈𝐋𝐀𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐈𝐋𝐀𝐘 𝐊𝐀𝐑𝐓𝐈𝐄 𝐌𝐎𝐁𝐈𝐋𝐘 𝐃𝐀𝐇𝐀𝐋𝐎 « 𝐑𝐀𝐊𝐎𝐓𝐎𝐒𝐎𝐀 𝐃𝐈𝐓 𝐊𝐎𝐓𝐎

Posted by - mars 24, 2025 0
𝘽𝙀𝙏𝘼𝙇𝙀𝙑𝘼𝙉𝘼 𝙎𝙔 𝘼𝙈𝘽𝘼𝙏𝙊𝙈𝘼𝙇𝘼𝙈𝘼, 𝙁𝙊𝙆𝙊𝙉𝙏𝘼𝙉𝙔 𝘼𝙉𝙄𝙎𝘼𝙉’𝙄𝙍𝙀𝙊 𝙈𝘼𝙁𝘼𝙉𝘼 𝘼𝙈𝙄𝙉’𝙉𝙔 𝙃𝘼𝙇𝘼𝙏𝙍’𝙊𝙈𝘽𝙔 𝘼𝙊 𝘼𝙈𝙄𝙉’𝙉𝙔 𝙆𝘼𝙊𝙈𝙄𝙉𝙄𝙉𝘼 𝘼𝙈𝘽𝘼𝙉𝙄𝙑𝙊𝙃𝙄𝙏𝙍𝘼 𝘽𝙀𝙈𝘼𝙄𝙏𝙎𝙊, 𝘿𝙄𝙎𝙏𝙍𝙄𝙆𝘼 𝘼𝙉𝘿𝙄𝙇𝘼𝙈𝙀𝙉𝘼. Nirotsaka tany an-toerana ny Komandà…