FREEDOM ANTSIRABE I : NOELY FIFANAMPIANA

196 0
Nizara kilalao ho an’ireo ankizy kely sy entana ilaina andavanandro na PPN ho an’ireo tokantrano tena marefo ao Antsirabe I, ny Antoko FREEDOM notarihin’ny Filoha Nasionaliny, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY.
 
Tahaka ny fanaony rehefa ankatoky ny vanim-potoanan’ny Noely tahaka izao dia taty Antsirabe indray no nosafidian’ny Antoko nanaovana asa soa fifampizarana tamin’ireo mpiray tanindrazana sahirana.
 
« Manao valim-babena hatrany satria mahatsiaro manana adidy amin’ny maha-vato nasondrotry ny tany » hoy Ramatoa Filoha Nasionalin’ny Antoko, izay tsy manadino mihitsy ny faritra Vakinankaratra, indrindra Antsirabe izay niaviany.
 
(FREEDOM Sampana Vakinankaratra, Tranompokonolona Antampontanana Antsirabe, Talata 19 desambra 2023).

Related Post

𝐅𝐚𝐡𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐥𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝟐𝟗 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 𝟏𝟗𝟒𝟕 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚

Posted by - mars 29, 2024 0
« 𝐅𝐈𝐓𝐈𝐀𝐕𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 » 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐥𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝟐𝟗 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 𝟏𝟗𝟒𝟕 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚 Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena no nitarika ny…