Ao anatinβny fanamafisana ny ady aminβny kolikoly sy ny fampiroboroboana ny mangarahara eo aminβny fitantanana raharaham-panjakana, dia hitarika ireo tomponandraikitra ambony eo anivonβny Ministeranβny Serasera sy ny Kolontsaina hanatitra fanambarΓ m-pananana eny aminβny BIANCO ny Minisitra Gascar Fenosoa.
Araka ny fanazavana voaray, ity fandraisana andraikitra ity dia tsy voafetra aminβny fanarahana fotsiny ny fepetra ara-dalΓ na, fa mikendry indrindra ny hametrahana kolontsainβny mangarahara sy ny tamberinβandraikitra ho fototry ny fitantanana. Ny fanambarΓ m-pananana dia anisanβireo fitaovana heverina ho manan-danja aminβny fisorohana ny kolikoly sy aminβny fanamafisana ny fitokisanβny olompirenena aminβny rafi-panjakana.
Nandritra ny fitsidihana ara-pomba fanajana nataonβny Tale Jeneralinβny BIANCO, Razakamanantsoa Gaby Nestor, tao aminβny biraonβny Minisitra ao Nanisana, no nifampizarana hevitra momba ny paikady iarahana manatanteraka izany. Voaresaka manokana ny anjara asanβny serasera aminβny fanabeazana sy fanentanana ny vahoaka, satria ny ady aminβny kolikoly dia tsy raharahanβandrim-panjakana irery, fa andraikitry ny fiarahamonina iray manontolo.
Naneho fahavononana mazava ny Minisitra aminβny fanamafisana ny fiaraha-miasa aminβny BIANCO, ary nanentana ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny mba handray anjara mavitrika aminβny fametrahana rafitra madio sy azo antoka. Ny tanjona dia iray: fametrahana fitantanana mendrika, manaja lalΓ na ary miorina aminβny fahamarinana.
Ao anatinβny toe-draharaha itadiavanβny vahoaka fahatokisana sy mangarahara bebe kokoa aminβny raharaham-panjakana, dia heverina ho dingana manan-danja ity hetsika ity. Raha te hanorina rafitra matanjaka sy maharitra ny firenena, hoy ny mpandinika, dia tsy maintsy miainga aminβny fahadiovanβny fitantanana sy ny ohatra asehonβireo tomponandraikitra ambony izany.
Nangonin’i Bevomaso




