Firotsahan_kofidianana solombavambahoaka misalasa ireo solom_bavambahoaka am_perin’asa ato Menabe

128 0

✅Folo andro mialohan’ny fisokafan’ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana solom_bavambahoaka dia 2 amin’ireo solom_bavambahoaka 5 amperinasa voafidy tamin’ireo distrika 5 mandrafitra ny faritra Menabe hatreto no efa nanambara fa mbola hirotsaka ho fidiana amin’ny fifidianana ny 29 Mai izao dia ny solom_bavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’ny Belo sur Tsiribihina Herilala Rabemanantsoa Jeannot sy Miandrivazo Richard Ratovonjanahary Tsimahalefy Alexandrine, ireo telo ambiny ao amin’ny Distrikan’ny Mahabo sy Manja ary Morondava kosa dia ao ireo tsy ahitan_teny ao koa ireo mbola misalasa.
✅ Etsy ankiliany dia maro koa ireo efa hita mietsiketsika mihomana amin’izany firotsahan_kofidiana ho solom_bavambahoaka izany ireo olom_panjakana sy mpitarika fikambanana na mbola tsy nilaza mazava fa hirotsaka ho fidiana aza isan’izany ny minisitra Haja Resampa izay minisitra mpiahy ny faritra Menabe eo koa mpandraraha samy ahitana izany fihetsiketsehana izany avokoa moa ireo distrika 5 ato Menabe.
✅ Ho an’ireo mpanohitra kosa dia nitambatra ho iray ao amin’ny Vovonana firaisankina avokoa izy rehetra ka kandida iray isaky ny distrika no hotohanan’ny Firaisankina ato Menabe, efa fantatra moa fa ny ao amin’ny Distrikan’ny Belo sur Tsiribihina sy Miandrivazo dia kandida avy amin’ny antoko TIM no ho tohanan’ny firaisankina ka Commissaire Honoré ny ao amin’ny Distrikan’ny Belo sur Tsiribihina ary Dr Lova kosa ao Miandrivazo raha avy amin’ny ProSiteny kosa ny kandida ny firaisankina eto Morondava dia i Mamy Clavier, misy amin’izy ireo moa no efa nahazo mandat ao kosa ireo mbola miandry izany, mbola eo am_pandaminana kosa ireo amin’ny Distrikan’ny Manja sy Mahabo hoy ny eo an’ivony Vovonana firaisankina.
✅Raha ny eo amin’ny TGV/IRD kosa raha ato Menabe dia mbola hifanosehan’ireo mpitarika antoko sy ireo olom_panjakana ny hisalotra ny fanamiana volom_boasary ka lasa miteraka korotana eo amin’ireo samy mpanohana ny fitondrana satria samy te_hohita avokoa hoe zahay mihetsika ary lasa miteraka fisaraham_bazana amin’ny samby mpanohana ny fitondrana vokatr’izany dia mbola tsy hita Taratra hatreto izay ho kandida ny antokon’ny eo amin’ny fitondrana amin’io fifidianana solombavambahoaka izay hatrehitsika ny 29 Mai izao.
Isany tsara toerana amin’ireo ho kandida ireo moa ny solombavambahoaka izay voafidy tao Miandrivazo nohon’ny ezaka teo amin’ny fametrahana fandriam_pahalemana izay niarahany tamin’ireo tompon’andraikitram_panjakana sy hery velona rehetra tao Miandrivazo eo koa ny solombavambahoaka amperinasa ao Belo sur Tsiribihina nohon’ny fanampiany ireo tantsaha ao amin’ireo kaominina ambanivohitra mandrafitra ny distrikan’ny Belo sur Tsiribihina.
✅Araky ny loharanom_baovao azo ihany koa dia fantatra fa hanolotra kandida ato Menabe ny AFF ka isany handatsahany kandida ny ao amin’ny Distrikan’ny Belo sur Tsiribihina sy Morondava raha tsy misy ny fihovana
✅ Farany dia maro ireo nilaza sy nikasa hirotsaka ho fidiana tamin’ity fifidianana Solombavambahoaka ity saingy nohon’ny fidangan’ny antoka ara_bola dia tsy nahenoana teny intsony izy ireny ny sasany moa dia nilaza fa tsy hanao indray, azo antoka zany fa ho vitsy ireo kandida tsy miankina amin’ny antoko hirotsaka amin’ity fifidianana solom_bavambahoaka indray mitoraka ity.

Nangonin’ny Ra_Pa Menabe

Ireo Solombavambahoaka amperinasa voafidy tato amin’ny distrika 5 mandrafitra ny faritra Menabe
Dr Lova kandida ny firaisankina ao amin’ny Distrikan’ny Miandrivazo nandray ny mandat_ny avy tamin’ny filoha Marc Ravalomanana
Minisitra Haja Resampa mety ho kandida solombavambahoaka ato amin’ny Distrikan’ny Morondava

Mamy Clavier kandida ny firaisankina eto Morondava mbola miandry mandat

Related Post

VITA NY TETEZAN’NY MANANDONA

Posted by - mai 16, 2024 0
Tetezan’i manandona antsirabe faharoaVita soamantsara ary efa azo ampiasaina ny tetezan’i manandona ao antsirabe faharoa mihazo ny RN7Tonga nanolotra izany…

𝐅𝐎𝐈𝐁𝐄𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐒𝐈𝐍𝐉𝐀𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐄𝐅𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐉𝐀𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀

Posted by - juillet 30, 2025 0
‎𝑻𝑶𝑵𝑻𝑶𝑺𝑨 𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑭𝑨𝑴𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑻𝑨𝑵𝑻𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑻𝑬𝑶 𝑨𝑴𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝑵𝒀 𝑻𝑨𝑳𝑬 𝑴𝑷𝑰𝑺𝑶𝑳𝑶 𝑻𝑶𝑬𝑹𝑨𝑵𝑨 𝑺𝒀 𝑵𝒀 𝑻𝑨𝑳𝑬 𝑽𝑶𝑨𝑻𝑬𝑵𝑫𝑹𝒀 ‎‎ ‎ Andriamatoa ANDRIAMAHATANA Joëlis Charlis, ho…

VITA NY TETEZAN’NY MANANDONA

Posted by - mai 16, 2024 0
Tetezan’i manandona antsirabe faharoaVita soamantsara ary efa azo ampiasaina ny tetezan’i manandona ao antsirabe faharoa mihazo ny RN7Tonga nanolotra izany…

𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎

Posted by - janvier 21, 2025 0
𝐎𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 « 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 » 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐘 𝑨𝑴𝑩𝑨𝑻𝑶𝑳𝑨𝑴𝑷𝒀 21-24…