Firaisankina Avaradrano | nanao fihaonanm-be

265 0
Nihaona tamin’ireo mpitarika Tiako i Madagasikara sy ny fikambanana AVA avy amin’ireo kaominina 16 mandrafitra ny Distrikan’Avaradrano ny Kandida FIRAISANKINA AVARADRANO androany.
Fotoana nahafahana nanomezana toromarika sy lamina mahakasika ny fifidianana Solombavambahoaka ary nihainoana ny hetaheta sy ny fanehoan-kevitr’ireo mpikatroka.
 
Nisy ny hafatra avy amin’ny Filoha Marc RAVALOMANANA ,nampitondrainy ny « STAFF technique-ny » manambara ny faharavan’ny DISTIM teo aloha sy ny fitsanganan’ny « Cellule électorale » izay Andriamatoa Avotraina ANDRIAMOSA no mitarika azy.
 
Niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby ihany koa ny Filoha Marc Ravalomanana ary nolazainy fa « TSY TOMBOTSOAN’OLON-TOKANA NO JERENA FA TOMBOTSOAN’NY DAHOLOBE !
 
FANAMBARANA VEHIVAVY TIAKO I MADAGASIKARA AVARADRANO
 
Nanao fanambarana iraisaina ireo Vehivavy Tiako i Madagasikara, manerana ny Kaominina 16 eto anivon’ny Distrika Antananarivo Avaradrano androany, fa manohana tsy misy fepetra ny Kandidan’ny Firaisankina Avaradrano Ofisialy, izay tarihin’Andriamatoa Avotraina Andriamosa sy Jimmy Randriantsoa.
Sanatria amin’izy ireo hoy hatrany ny Mpitarika raha handa ny fandaminana izay nataon’ny Mpitarika ity Antoko Politika manana ny lanjany eto Madagasikara, dia Andriamatoa Ravalomana Filoha Nasionaly ny Antoko Tiako i Madagasikara.
 
Nankahery ireo vehivavy TIM rehetra manerana an’i Madagasikara izy ireo, indrindra hankatok’izao fifidianana izay ho solombavambahoaka izao.
 
 
📷 : Community Manager Firaisankina Avaradrano

Related Post

𝐅𝐎𝐈𝐁𝐄𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐒𝐈𝐍𝐉𝐀𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐄𝐅𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐉𝐀𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀

Posted by - juillet 30, 2025 0
‎𝑻𝑶𝑵𝑻𝑶𝑺𝑨 𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑭𝑨𝑴𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑻𝑨𝑵𝑻𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑻𝑬𝑶 𝑨𝑴𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝑵𝒀 𝑻𝑨𝑳𝑬 𝑴𝑷𝑰𝑺𝑶𝑳𝑶 𝑻𝑶𝑬𝑹𝑨𝑵𝑨 𝑺𝒀 𝑵𝒀 𝑻𝑨𝑳𝑬 𝑽𝑶𝑨𝑻𝑬𝑵𝑫𝑹𝒀 ‎‎ ‎ Andriamatoa ANDRIAMAHATANA Joëlis Charlis, ho…