FIKAMBANANAN’NY FIRAISAMONIM_PIRENENA 04: TSY EKENA NY TSY MATY MANOTA

163 0
FIKAMBANANAN’NY FIRAISAMONIM_PIRENENA 04: TSY EKENA NY TSY MATY MANOTA ,MANGATAKA NY FANENJEHANA IREO TOMPON’ANTOKA AMIN’NY TSY FANARAHAN_DALANA AMIN’NY FITANTANANA NY ORINASAM_PANJAKANA.
🔴Hita taratra ao amin’ny tatitry ny fitsarana momba ny kaonty ireo tranga tsy fahaiza_ mitantanana fa indrindra ny hosoka samihafa tamin’ny fitantanana ny JIRAMA teo anelanelan’ny taona 2020 sy 2023 hoy ny fanambaran’ny fikambanan’ny firaisamonim_pirenena CCOC,IVORARY, MSIS TATAO ary ny Transparency international initiative Madagascar androany.
🔴 Tsapa hoy izy ireo:
👉Ny fisian’ny andininy tsy ara_drariny ao anatin’ny fifanarahana izay manome tombony mihoapapana ny mpamatsy ny JIRAMA.
👉Ny elanelana mihoapapana eo amin’ny hebetsahan’ny solika novidiana sy ny solika tena tonga izay miteraka ahiahy fanodikodinana mandritra ny famatsiana ny solika sy fitantanana ny tahiry.
👉Ny trosa tokony efain’ny JIRAMA amin’ny fournisseurs sy mpitatitra izay mahatratra 2584 miliara ariary ho an’ny taona 2022.
🔴 Maneho trangana kolikoly ,fahadisoana ara_pitantanana , fandikan_dalana ara _dalana ara_toekarena ireo zavamisy ireo ka manohitoha ny filaminana.
🔴Akoatr’izay ,manaitra ny antenimiera roa tonta ny firaisamonim_pirenena amin’izao famaranana ny fivoriana ara_potoanan’ny antenimiera izao ka hampiseho mazava ny fahombiazan’ny fanjakana ary hampiasa ny fahefana hananany amin’ny maha solotenan’ny olompirenena azy ireo.
📝M.Elvina

Related Post

𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐑𝐀-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐓𝐎𝐍𝐀 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 « 𝐏𝐑𝐎𝐉𝐄𝐓 𝐃𝐑𝐎𝐍𝐄”

Posted by - mars 16, 2024 0
𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐑𝐀-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐓𝐎𝐍𝐀 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 « 𝐏𝐑𝐎𝐉𝐄𝐓 𝐃𝐑𝐎𝐍𝐄” 𝐅𝐀𝐌𝐀𝐓𝐒𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐅𝐎𝐃𝐘 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐁𝐈𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐀𝐑𝐎-𝐃𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 ———————————- Faritra sy District saro- dalana maro no misitraka…

𝐅𝐀𝐌𝐎𝐍𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐈 𝐑𝐈𝐒𝐂𝐎 𝐎𝐂𝐓𝐎𝐁𝐑𝐄 𝟐𝟎𝟐𝟑 | 𝐌𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐢𝐚𝐫𝐢𝐚 𝐚𝐧𝐲 𝐢𝐥𝐚𝐲 𝐃𝐞́𝐥𝐞́𝐠𝐮𝐞́ 𝐀𝐧𝐝𝐚𝐬𝐢𝐛𝐞 𝐕𝐚𝐯𝐚𝐭𝐞𝐧𝐢𝐧𝐚

Posted by - janvier 9, 2024 0
𝐅𝐀𝐌𝐎𝐍𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐈 𝐑𝐈𝐒𝐂𝐎 𝐎𝐂𝐓𝐎𝐁𝐑𝐄 𝟐𝟎𝟐𝟑 | 𝐌𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐢𝐚𝐫𝐢𝐚 𝐚𝐧𝐲 𝐢𝐥𝐚𝐲 𝐃𝐞́𝐥𝐞́𝐠𝐮𝐞́ 𝐀𝐧𝐝𝐚𝐬𝐢𝐛𝐞 𝐕𝐚𝐯𝐚𝐭𝐞𝐧𝐢𝐧𝐚 📌 RISCO ,ilay tovolahy maty rehefa…