FIKAMBANANAN’NY FIRAISAMONIM_PIRENENA 04: TSY EKENA NY TSY MATY MANOTA

209 0
FIKAMBANANAN’NY FIRAISAMONIM_PIRENENA 04: TSY EKENA NY TSY MATY MANOTA ,MANGATAKA NY FANENJEHANA IREO TOMPON’ANTOKA AMIN’NY TSY FANARAHAN_DALANA AMIN’NY FITANTANANA NY ORINASAM_PANJAKANA.
🔴Hita taratra ao amin’ny tatitry ny fitsarana momba ny kaonty ireo tranga tsy fahaiza_ mitantanana fa indrindra ny hosoka samihafa tamin’ny fitantanana ny JIRAMA teo anelanelan’ny taona 2020 sy 2023 hoy ny fanambaran’ny fikambanan’ny firaisamonim_pirenena CCOC,IVORARY, MSIS TATAO ary ny Transparency international initiative Madagascar androany.
🔴 Tsapa hoy izy ireo:
👉Ny fisian’ny andininy tsy ara_drariny ao anatin’ny fifanarahana izay manome tombony mihoapapana ny mpamatsy ny JIRAMA.
👉Ny elanelana mihoapapana eo amin’ny hebetsahan’ny solika novidiana sy ny solika tena tonga izay miteraka ahiahy fanodikodinana mandritra ny famatsiana ny solika sy fitantanana ny tahiry.
👉Ny trosa tokony efain’ny JIRAMA amin’ny fournisseurs sy mpitatitra izay mahatratra 2584 miliara ariary ho an’ny taona 2022.
🔴 Maneho trangana kolikoly ,fahadisoana ara_pitantanana , fandikan_dalana ara _dalana ara_toekarena ireo zavamisy ireo ka manohitoha ny filaminana.
🔴Akoatr’izay ,manaitra ny antenimiera roa tonta ny firaisamonim_pirenena amin’izao famaranana ny fivoriana ara_potoanan’ny antenimiera izao ka hampiseho mazava ny fahombiazan’ny fanjakana ary hampiasa ny fahefana hananany amin’ny maha solotenan’ny olompirenena azy ireo.
📝M.Elvina

Related Post

𝘉𝘖𝘕𝘕𝘌 𝘈𝘊𝘛𝘐𝘖𝘕: 𝙏𝘼𝙂𝙉𝘼𝙈𝘼𝙍𝙊 𝙉𝘼𝙉𝘼𝘿𝙄𝙊 𝙉𝙔 𝙃𝙊𝙋𝙄𝙏𝘼𝙇𝙔 𝗖𝗛𝗥𝗥 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔𝗧𝗢

Posted by - février 4, 2024 0
« 𝘛𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘮𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘦𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘬𝘰𝘫𝘢𝘬𝘰𝘫𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 » 𝘉𝘖𝘕𝘕𝘌 𝘈𝘊𝘛𝘐𝘖𝘕: 𝙏𝘼𝙂𝙉𝘼𝙈𝘼𝙍𝙊 𝙉𝘼𝙉𝘼𝘿𝙄𝙊 𝙉𝙔 𝙃𝙊𝙋𝙄𝙏𝘼𝙇𝙔 𝗖𝗛𝗥𝗥 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔𝗧𝗢   𝗔𝘀𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 𝟬𝟯.𝟬𝟮.𝟮𝟬𝟮𝟰…