FIHAONANA TETO AMIN’ NY ONIVERSITE

165 0
📍 Nihaona tamin’ ny mpianatra teto amin’ ny Oniversite n’ i Farafangana ireo solontena avy amin’ ny Minisiteran ‘ ny Fahasalamam – bahoaka Ramatoa RABENANDRASANA Joliharisoa  » Directeur des Instituts de Formation des Paramédicaux » ( DIFP ), sy Ramatoa RASOANAIVO Tianamalala Oliva  » Chef de division à la Formation Initiale » ( ET/ DIFP ).
 
📍 Antony dia hisokatra eto amintsika ny PARAMED hanampiantsika ireo fianarana izay efa misy aty amin’ ny Oniversite eto Farafangana, izay ikatsahantsika hatrany ny ho avin ‘ ireo zanatsika ato anatin’ ny Faritra Atsimo Atsinanana, hanamorana ihany koa ny eo am – pelatanan ‘ ny Ray amandreny tsy manana fahefana hampianatra ireo zanany any amin’ ny Oniversite ivelan ‘ ny Faritra Atsimo Atsinanana.
 
📍 Tombony lehibe ho antsika izany, dia ny hanana tanora vita fiofanana ara – panjakana amin’ ity Paramed ity, ka tsy naman’ izay mihemotra isika hitsinjovantsika ny ho avin ‘ izy ireo. Vonona sahady arak ‘ izany ireo tanora mpianatra liana amin’ izany ato anatin’ ny Distrika 5 mandrafitra ny Faritra Atsimo Atsinanana izay tonga maro tokoa nanatrika tao, nihaino ny fanazavana sy ny pitsopitsony rehetra mahakasika izany.
 
📍 Ka eto ny Goverinoran’ ny Faritra Atsimo Atsinanana Docteur MAHAFAKY Justin izay angady nananana sy vy nahitana izao ary mbola vonona hatrany ny hanatsara ity Oniversite ity dia maneho fisaorana ny fitondram – panjakana tarihin ‘ ny Filoham- pirenena ANDRY Rajoelina, sy ny Minisitry ny Fampianarana ambony ary ny Minisitry ny Fahasalamam- bahoaka nanamora ny fangatahana ny fanokafana an’ izany ho tombontsoan’ ny zaza Malagasy fa indrindra ny aty amin’ ny Faritra Atsimo Atsinanana.
 

Related Post

𝐌𝐀𝐍𝐀𝐆𝐀𝐓𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐀𝐌𝐈𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝟎𝐍𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐌𝐀𝐍𝐎𝐍𝐆𝐀

Posted by - février 16, 2025 0
𝙉𝒚 𝒗𝙤𝒍𝙖𝒏𝙖 𝙖𝒑𝙧𝒊𝙡𝒚 2022 𝙣𝒐 𝒏𝙤𝒕𝙤𝒌𝙖𝒏𝙖𝒏𝙖 𝙣𝒚 𝒅𝙤𝒓𝙩𝒐𝙞𝒓 𝒉𝙤 𝙖𝒏’𝒏𝙮 𝙤𝒏𝙞𝒗𝙚𝒓𝙨𝒊𝙩𝒆 𝒉𝙤 𝙖𝒏’𝒏𝙮 𝙛𝒂𝙧𝒊𝙩𝒓𝙖 𝙈𝒆𝙣𝒂𝙗𝒆 𝒊𝙯𝒂𝙮 𝙢𝒂𝙯𝒂𝙠𝒂 𝒎𝙥𝒊𝙖𝒏𝙖𝒕𝙧𝒂 300 𝒉𝙖𝒕𝙧𝒂𝙢𝒊𝙣’𝙞𝒛𝙖𝒐…