FIER-MADA 2025

48 0

FIER-MADA 2025 – Andiany faha-26 : Ambatovy manohana hatrany ny tanora mpandraharaha sy ny tantsaha eny ifotony

Nanamarika indray ny fandraisany anjara amin’ny FIER-MADA 2025 ny Orinasa Ambatovy tamin’ny alalan’ny fanohanana ara-teknika sy ara-barotra ho an’ireo vondrona tantsaha sy tanora mpandraharaha mivelona manodidina ny faritra iasan’ny orinasa. Mpikambana folo avy amin’ireo fikambanana tantsaha ao Moramanga, Brickaville ary Toamasina no nanatrika ity hetsika goavana natao tetsy amin’ny Kianjan’ny Makis Andohatapenaka ity.

Fanohanana lavitrezaka ho an’ny fivelomana maharitra

Araka ny fanazavan’ny Tale Serasera ao amin’ny Ambatovy, Ramatoa Vony RAMAHALEO, dia tsy vitan’ny manome sehatra ho an’ireo mpamokatra amin’ny fitadiavana tsena vaovao ny orinasa fa manampy azy ireo ihany koa amin’ny lafiny ara-teknika, ara-pitaovana sy ara-pitantanana. “Manohana ny fanatsarana kalitao sy fifaninanana eo amin’ny tsena izahay, mba hahafahan’ireo tantsaha manitatra ny vokatra eny ifotony, amin’ny sehatra nasionaly ary manantena ihany koa mba hisehatra amin’ny tsena iraisam-pirenena”, hoy izy.

Ampahany amin’izany ny fanohanana ny rafitra tahiry sy fampindramam-bola eny ifotony toy ny VSLA (Village Saving and Loan Association), izay manamora ny fametrahana tetikasa madinika sy fanitarana ny asa.

Vavolombelona avy eny ifotony

Nohamafisin’i Raharimandimby Félice, filohan’ny fikambanana iray ao amin’ny fokontany Ambodibonara, Kaominina Fanandrahana, fa “nahita fivoarana sy fahombiazana amin’ny varotra sy fivelarana amin’ny tsena lavitra izahay noho ny fanohanana avy amin’Ambatovy. Efa tonga aza ny mpividy avy amin’ny faritra hafa haka ny vokatra toy ny voankazo sy zanakazo  manatsara ny tontolo iainana.”

Tombontsoa mivaingana sy vina lavitra

Amin’izao fotoana izao dia 97 vondrona avy amin’ireo faritra telo no misitraka an’ity fanohanana ity, ahitana mpikambana 2 552, izay 70% amin’izy ireo dia vehivavy.

Lohahevitra manandanja amin’ny FIER-MADA 2025

Nisongadina tamin’ity andiany faha-26 ity ny lohahevitra “Apetaka eny amin’ny tsenan’ny kaominina ireo lalam-barotra anatiny sy ivelany ho fampivelarana ny famokarana eny ambanivohitra”. Nampahatsiahivin’ny Injeniera Jacques RAMANANTSOA, mpikarakara ny FIER-MADA, fa antoky ny fandrosoana sy ny fialana amin’ny fahantrana ny fahafahan’ny tantsaha miditra amin’ny tsena, ary ilaina amin’izany ny fanohanana amin’ny fahaiza-mitantam-bola sy fanentanana ara-barotra, indrindra ho an’ireo tsy ampy fahaizana fototra.

Nangonin’i Juanita RAKOTOARIVAO

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗻𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗶𝗻𝗼 𝗦𝗶𝗹𝗮𝗺𝗼

Posted by - juillet 20, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗻𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗶𝗻𝗼 𝗦𝗶𝗹𝗮𝗺𝗼 (𝖭𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗓𝖺𝗒 𝗁𝗈 𝖿𝗂𝗅𝗈𝗁𝖺 𝗂𝗓𝗒 𝗂𝗋𝖾𝗈, 𝗏𝗈𝖺𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂 𝖠𝗅𝗒)…

𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 ; 𝐎𝐍𝐆 𝐒𝐀𝐇𝐈 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝟗𝟕% 𝐓𝐀𝐍𝐉𝐎𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐘 𝐌𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐊𝐀

Posted by - novembre 15, 2024 0
𝑵𝒂𝒏𝒂𝒕𝒂𝒏𝒕𝒆𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒕𝒓𝒊𝒌’𝒂𝒔𝒂 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒂𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂 𝒛𝒂𝒚 𝒏𝒂𝒕𝒂𝒐 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒍𝒐 𝒗𝒐𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑶𝑵𝑮 𝑺𝑨𝑯𝑰 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒂𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂 15 𝑵𝒐𝒗𝒆𝒎𝒃𝒓𝒆 2025 𝒌𝒂…