ππˆπƒπˆππ€ πˆπ…πŽπ“πŽππ˜ 𝐍𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀-πŒπ€π’πŽ πˆπ‘π„πŽ π“π€π‡πˆπ‘πˆπŒ-ππ€π‘π˜ π’π˜ 𝐍𝐘 π•πˆπƒπˆπŒ-ππ€π‘π˜ 𝐍𝐘 πƒπ‘πˆπ‚ π€π‹π€πŽπ“π‘π€ πŒπ€ππ†πŽπ‘πŽ

42 0
Araka ny toromarika avy amin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra ary ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra dia namory avy hatrany ireo filohan’ny federasionin’ireo tantsaha mpamboly vary eto amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka sy ny manodidina ny avy amin’ny fitalem-paritry ny Indostria sy ny varotra niarahana tamin’ny ekipan’ny fitalevam-paritry ny fambolena sy fiompiana Alaotra Mangoro.
Tanjona ny hamantarana ny tena zava-misy marina mahakasika ny tahirim-bary aty Alaotra ka nisy avy hatrany ihany koa ny fidinana ifotony teny anivon’ireo toerana fitotoam-bary sy ireo mpanangom-bokatra nijerena ireo tahiry sy namantarana ny tena vidim-bary amin’izao fotoana izao.
Ny Kaominina Bejofo, kaominina Morarano Chrome, Kaominina Andrebakely Atsimo, Kaominina Anororo (Ampahitany), Kaominina Ambohitrarivo, Kaominina Ambatomainty, Kaominina Tanambe, ireo no anisany nanaovan’ny DRIC Alaotra Mangoro fanadihadiana sy fanentanana ny Alarobia 08 sy Alakamisy 09 Janoary 2025 ka saika mitovy avokoa ny filazan’ireo mpamboly sy ireo mpandraharaha fa mbola misy ny vary any amin’ireo mpamboly lehibe fa noho ny tsy firotsahan’ny orana izay tokony hamoahana ny vola hoentina miasa no mahatonga ny vary tsy havoakan’izy ireo ka mampiakatra ny vidiny.
Nentanina hatrany ary ireo mpisehatra rehetra mba hifampitsinjo sy tsy hifanambaka fa hivarotra ny vokatra amin’ny vidiny ara-drariny izay sady tsy mamono antoka ny mpamboly no tsy mambotry ny mpandraharaha sy ny mpividy.
Mbola hisy moa ny fivoriana iarahana amin’ireo mpisehetra ara-bary rehetra isaky ny Distrika.
πŸ“ 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post

Voapetraka ny taratasin’ny Fandrava

Posted by - avril 7, 2024 0
πƒπˆπ’π“π‘πˆπŠπ€π’π€πŒππŽπ’πˆπ“π‘π€ |π“πšπŸπšπ©πžπ­π«πšπ€πš 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐫𝐚𝐭𝐚𝐬𝐲 𝐟𝐒π₯𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐑𝐚𝐧-π€π¨πŸπ’ππ’πšπ§β€™π’ 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐕𝐀 — Anio Alahady 7 Avril 2024 (11h50) Tafapetraka ny atoandro teo ny taratasy filatsahan-kofidiana…