FIANARANTSOA : FANOFANANA IREO MPIKIRAKIRA SORA-PIANKOHONANA EO ANIVON’NY KAOMININA.

76 0

 Tao anatin’ ny 3 andro , niatrika fiofanana mahakasika ny sora-piankohonana, niarahana tamin’ny Ministeran’ny fitsinjaram-pahefana sy ny tetikasa PRODIGY, ireo mpikirakira ny sora-piankohonana eo anivon’ny Kaominina Ambonivohitry Fianarantsoa .

Ka isan’ny niatrika izany ny Ben’ny Tanana lefitra mirahalahy, ary ny tale misahana ny raharaha sosialy sy mpiara-miasa eo anivon’ny sora-piankohonana. Ankoatran’izay dia nisy ihany koa ireo avy amin’ny Fitsarana, ny teny anivon’ny Fitalevam-paritry ny fahasalamam-bahaoaka : Dokotera, rasazy.

Isan’ny niatrika izao fiofanana izao niaraka tamin’ireompiasan’ny Kaominina Ambonivohitra Fianarantsoa ireo. Hiditra hatrany amin’ny « digitalisation » sy ny « informatisation », mba hampalaky ny fikarakarana, ao anatin’ity Tetik’asa manan-danja amin’ny fampandrosoana ity.

Nangonin’i Ando Rafahatelo

📷© Commune Urbaine de Fianarantsoa

Related Post

Fanamarihana ny 29 mars Antsirabe.

Posted by - mars 29, 2025 0
Fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangam-bato manoloana ny garan’Antsirabe no nentina nanamarihana ny 29 marsa fahatsiarovana ireo maherifon’ny firenena tany Antsirabe.Nanotrona…