๐…๐€๐“๐’๐€๐Š๐€๐’๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐€๐๐€ | ๐๐ˆ๐ƒ๐ˆ๐๐ˆ๐๐€ ๐ˆ๐…๐Ž๐“๐Ž๐๐˜ ๐๐ˆ๐‰๐„๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐™๐Ž๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐€๐’๐€ ๐…๐€๐๐€๐•๐€๐Ž๐™๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐“๐Ž๐Œ๐๐Ž๐’๐€๐๐ƒ๐‘๐€๐ˆ๐Š๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐„๐“๐Ž ๐€๐๐ˆ๐•๐Ž๐’๐๐˜ ๐Š๐€๐Ž๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐๐€ย 

21 0

๐…๐€๐“๐’๐€๐Š๐€๐’๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐€๐๐€ | ๐๐ˆ๐ƒ๐ˆ๐๐ˆ๐๐€ ๐ˆ๐…๐Ž๐“๐Ž๐๐˜ ๐๐ˆ๐‰๐„๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐™๐Ž๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐€๐’๐€ ๐…๐€๐๐€๐•๐€๐Ž๐™๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐“๐Ž๐Œ๐๐Ž๐’๐€๐๐ƒ๐‘๐€๐ˆ๐Š๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐„๐“๐Ž ๐€๐๐ˆ๐•๐Ž๐’๐๐˜ ๐Š๐€๐Ž๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐๐€

Fatsakana, fantatra amin’ny anarana hoe ยซย Fatsakan’Andrianaย ยป izay efa nolovaina tamin’ireo Razam-be teo aloha maromaro no nasiam-panavaozana sy nohajariana ato anivon’ny Commune Sabotsy Namehana, ary anisan’ny nisitraka izany ny Fokontany Botoana, Beravina, Ambohidrano. …..

Manoloana io fanavaozana sy fanajariana io indrindra dia nidina ifotony nijery ny fizotry ny asa ny Solon-tenan’ny Kaominina Sabotsy Namehana, tamin’ny alalan’Andriamatoa ๐—›๐—ฒ๐—ฟ๐—ถ๐—ป๐—ฎ๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—š๐—ฎ๐—ฏ๐—ถ๐—ป ๐—ฅ๐—”๐—ž๐—ข๐—ง๐—ข๐—”๐—ฅ๐—œ๐—ฆ๐—ข๐—”, niaraka tamin’ny Teknisianina nanatanteraka ny asa ary nitafa nivantana tamin’ny Mponina, Nambarany fa tena fotodrafit’asa lovain-jafy no hapetraka ka tokony ho vita tomika tsy misy indro kely no haroso hoan’ny vahoaka, satria ๐€๐ˆ๐๐€ ๐‡๐Ž๐€๐’๐๐˜ ๐Œ๐๐Ž๐๐ˆ๐๐€ ๐ˆ๐™๐€๐๐˜ ๐‘๐€๐๐Ž ๐ˆ๐™๐€๐๐˜.

Nilaza ireo Teknisianina miandraikitra ity asa Masina ity, fa hanao izay faraheriny sy fahara fahaizany hanomezana fahafaham-po ny Mponina. Fisaorana feno fankasitrahana no nasetrin’ireo Mponina sendra naka rano tamin’io fotoana fidinana ifotony io, noho izao fanomezana izao, ary irariana mba hihitatra amin’ny fampandrosoana hafa hoy ny hetahetan’izy ireo.

Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post