Faritra Vatovavy | Hisitraka tosika VONJY AINA

189 0
Nohon’ny fandalovan’ny rivo-doza nifanesy, dia tsampa sy hita fa miha sahirana ny Mponina, noho izany indrindra dia nasiana ny Tosika Vonjy Aina, izay famatsiam-bola avy amin’ny Banky Mondialy, ka hiaraana amin’ny FID.
 
Vola mitentina 120 000 Ar isam-bolana no hozaraina, izay haharitra dimy volanana eo ho eo, ka ny mponina ao anatin’ny Fokontany 22 mandrafitra ny Kaominina ambanivohitra Vohitrandriana (Distrikan’i Nosy Varika,Faritra Vatovavy). no hisitraka izany tetik’asa fanampiana izany.
 
Fantatra fa efa natomboka ny Alarobia 20 Desambra lasa teo ity Tetik’asa fanampiana ity, ary efa manomboka haparitaka nankany amin’ireo fokontany voalaza etsy aloha ireo.
 
Manoloana izany indrindra dia velom-pisaorana ireo mpisitraka sy ny Ben’ny tanàna Henri Antonio Telolahy na Mera NINI ny Mponina, satria nohon’ny adisisika nataony no nahatonga izao fanampiana goavana azon’ny vahoaka izao.
Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

CITÉ DES CULTURES

Posted by - octobre 5, 2024 0
Ivontoerana ara_kolontsaina iray nosokafan »ny BOA nisokatra nanomboka ny volana mey 2024 lasa teo eny Antaninarenina.Entina hampiroboroboana kolontsaina samihafa. Ahitana efitrano…

Tobim-piantsonana Andohatapenaka

Posted by - décembre 26, 2024 0
Miankina amin’ny mpamily ny 80 isanjato eny amin’ny lalana hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny tobim-piantsonana Andohatapenaka Andriamatoa Fidy RANAIVOSON. Manentana…