FARITRA MENABE MITSIDIKA NY FARITRA MENABE NY MASIOVO NY JAPON

324 0
πŸ’₯ Tonga nitsidika ny faritra Menabe ny masoivon’ny Japon miasa sy monina eto Madagascar SEM Abe Koji, ny lakamisy faha 24 octobre izy no nigadona teto Morondava izy ary haaritra telo andro moa ny fitsidihana ataony ato Menabe ka ny andro voalohany dia ny nisy ny fitsidihana aram_panajana tamin’ireo solotenam_panjakana eto Morondava dia ny PrΓ©fet an’i Morondava sy ny ben’ny tananan’ny kaominina Morondava ary ny Governoran’ny faritra Menabe nivoitra tao anatin’ny fihaonana izany moa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny faritra Menabe sy ny governemanta Japonais ary hiezaka hijery izay azo hanampiana ny faritra Menabe ity masoivoho ity ka jerena manokana ny sehatry ny fanabeazana sy ny fahasalamana ary ny maha olona sy fijerena ihany koa vahaolana ho an’ireo mpifindra monina.
πŸ”₯ Nitohy tamin’ny fitsidihana ny Bazar be ny Morondava sy ny Epp Morondava centre; ny tranom-pokon’olona sy ny tao amin’ny Voirie sy ireo fitaom_pitanterana ampiasain’ny kaominina Morondava ary ny toerana famonoan’omby izany avy eo ka nilaza ity masoivoho ity fa hijery izay fomba entina hanampiana ny fitondram-panjakana Malagasy ny tenany ary hitady mpiara-miombon’antoka amin’ny fanarena ireo foto-drafitr’asa ireo.
⚑ Izao fitsidihana ny masoivon’ny Japon ato Menabe izao moa dia nohon’ny fanasan’ny solombavambahoakan’ny Madagasikara voafidy tato Morondava Andriamatoa Haja Resempa, izao no natao hoy ny solombavambahoaka dia mba ahitan’ireo masoivoho ny zava-misy ety ifotony ka afahan’izy ireo miara mijery vahaolana hanampiana ny fitondram-panjakana Malagasy sy ireo ety ifotony,hitohy hatramin’ny sabotsy moa izao fitsidihana izao ka manotrona ity masoivoho ny firenena Japonais amin’ny fitsidihana ataony ato Menabe izao moa ny solombavambahoakan’ny Madagascar voafidy tato Morondava sy ny PrΓ©fet an’i Morondava sy ny Governoran’ny faritra Menabe sy ireo tompon’andraikitrin’ny OMC ato Menabe
Nangonin’i RA PA

Related Post

πŠπ€πŽπŒπˆππˆππ€ π€πŒππ€ππˆπ•πŽπ‡πˆπ“π‘π€ π€ππŠπ€π™πŽπ€πŒππŽ | Manodidina ny 60 ireo vehivavy nahazo fiofanana

Posted by - mai 28, 2025 0
πŠπ€πŽπŒπˆππˆππ€ π€πŒππ€ππˆπ•πŽπ‡πˆπ“π‘π€ π€ππŠπ€π™πŽπ€πŒππŽ π…πˆπ“π€π‹π„π€π•π€πŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π˜ 𝐍𝐘 π…π€πŒππˆπ€ππ€π‘π€ππ€ π“π„πŠππˆπŠπ€ π’π˜ π…π€πŒππˆπŽπ…π€ππ€ππ€ π€π‘π€πŠ’𝐀𝐒𝐀 π€πŒπŽπ‘πŽπ’𝐈 πŒπ€ππˆπ€ 𝑡𝑰𝑺𝑰𝑻𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑭𝑰𝑢𝑭𝑨𝑡𝑨𝑡𝑨 𝑴𝑨𝑯𝑨𝑲𝑨𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑡𝒀 𝑴𝑢𝑭𝑢𝑴𝑨𝑴𝒀 𝑰𝑹𝑬𝑢 𝑭𝑰𝑲𝑨𝑴𝑩𝑨𝑡𝑨𝑴-𝑩𝑬𝑯𝑰𝑽𝑨𝑽𝒀 α΄€ΚŸα΄€Κ€α΄Κ™Ιͺα΄€…

π…πˆπ‡π€ππ€π‡π€π`𝐍𝐘 π•πˆπ‡/π’πˆπƒπ€ π„π“πŽ πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€

Posted by - fΓ©vrier 20, 2024 0
π…πˆπ‡π€ππ€π‡π€π`𝐍𝐘 π•πˆπ‡/π’πˆπƒπ€ π„π“πŽ πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€ – 𝐍𝐒𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐫𝐒𝐀𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 π­π¨π¦π›πšπ§πš 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐞π₯πšπ›πžπ₯𝐚𝐫𝐚𝐧~𝐀𝐞𝐯𝐒𝐭𝐫𝐚 π¦π¨π¦π›πš 𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐞𝐭𝐒-𝐦𝐒𝐟𝐒𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐒𝐭𝐲  …