Tonga nitsidika ny faritra Menabe ny masoivon’ny Japon miasa sy monina eto Madagascar SEM Abe Koji, ny lakamisy faha 24 octobre izy no nigadona teto Morondava izy ary haaritra telo andro moa ny fitsidihana ataony ato Menabe ka ny andro voalohany dia ny nisy ny fitsidihana aram_panajana tamin’ireo solotenam_panjakana eto Morondava dia ny Préfet an’i Morondava sy ny ben’ny tananan’ny kaominina Morondava ary ny Governoran’ny faritra Menabe nivoitra tao anatin’ny fihaonana izany moa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny faritra Menabe sy ny governemanta Japonais ary hiezaka hijery izay azo hanampiana ny faritra Menabe ity masoivoho ity ka jerena manokana ny sehatry ny fanabeazana sy ny fahasalamana ary ny maha olona sy fijerena ihany koa vahaolana ho an’ireo mpifindra monina.
Nitohy tamin’ny fitsidihana ny Bazar be ny Morondava sy ny Epp Morondava centre; ny tranom-pokon’olona sy ny tao amin’ny Voirie sy ireo fitaom_pitanterana ampiasain’ny kaominina Morondava ary ny toerana famonoan’omby izany avy eo ka nilaza ity masoivoho ity fa hijery izay fomba entina hanampiana ny fitondram-panjakana Malagasy ny tenany ary hitady mpiara-miombon’antoka amin’ny fanarena ireo foto-drafitr’asa ireo.
Izao fitsidihana ny masoivon’ny Japon ato Menabe izao moa dia nohon’ny fanasan’ny solombavambahoakan’ny Madagasikara voafidy tato Morondava Andriamatoa Haja Resempa, izao no natao hoy ny solombavambahoaka dia mba ahitan’ireo masoivoho ny zava-misy ety ifotony ka afahan’izy ireo miara mijery vahaolana hanampiana ny fitondram-panjakana Malagasy sy ireo ety ifotony,hitohy hatramin’ny sabotsy moa izao fitsidihana izao ka manotrona ity masoivoho ny firenena Japonais amin’ny fitsidihana ataony ato Menabe izao moa ny solombavambahoakan’ny Madagascar voafidy tato Morondava sy ny Préfet an’i Morondava sy ny Governoran’ny faritra Menabe sy ireo tompon’andraikitrin’ny OMC ato Menabe
Fanerena sy fanitsakitsahana mivantana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety no hita taratra amin’ilay tranga voalaza fa nitranga tao Fianarantsoa. Araka ny…
Nampidirigny am-ponja vonjimaiky eto Antsiragnana tamin’ny folak’andran’ny Tinainy 17 Jona 2024, i Naïdar raim-pianakaviagna 40 taogno, izay nisandoka ho police…
➡️ Lanonana ara-miaramila telo sosona no notanterahina teto amin’ny Kianjan’i Maitre Kira Andaboly androany 13 Juin 2025. Famindram-pibaikona eo anivon’ny…