Faritra Menabe mbola Betsaka ireo tsy manana karam-panondrom-pirenena

33 0
Nidina ifotony tao amin’ny boriboritany tao Morondava ny andron’ny 23 febroary 2024 ny avy ao amin’ny prefektiora sy ny birao mahaleon_tena amin’ny ady amin’ny kolikoly noho ny fitarainana maro voarainay amin’ny fanamboarana kara-panondro eto Morondava ville izay voalaza fa misy fitakiam-bola tsy ara-dalàna 3000Ar, 5000Ar ary 10000Ar dia nandray fanapahan-kevitra ny tao amin’ny Bianco Morondava ka nanao fidinana ifotony Tamin’izany no nanentanana ny lehiben’ny boriboritany Morondava mba hametraka ny Standard de Services izay tokony ahitana ny plan de masse sy ny tableau d’affichage manondro ny asa sahanin-dry zareo ao sy ny vola aloa mifanandrify amin’izany. Nentanina ihany koa ny hitondran’ireo mpiasa ao amin’io Service io Badge.
 
Mikasika ny fitakiam-bola tsy ara-dalàna amin’ny fanamboarana kara-panondro vaovao dia nambaran-dRamatoa lehiben’ny boriboritany teo anatrehan’ireo vahoaka marobe nanamboatra kara-panondro fa TSY HANDOAVAM-BOLA IZANY. Koa tamin’izany no nilazany BIANCO fa raha mbola misy ny fitakiana vola raha hanamboatra kara-panondro vaovao dia afaka manantona mivantana ny Biraon’ny BIANCO mametraka fitoriana.
 
Nandritr’izay koa no nanentanan’ny préfet ny Morondava fa efa nisy ny ezaka fanaovana karatra sy kopia faobe tamin’ny taona 2023 iny nefa gaga izy fa Kay mbola maro ihany ireo tsy manana karam-panondrom_pirenena fa rehefa avy ny fanetanana sy fisavana karatra ataon’ny mpitandron’ny filaminana vao taitra hanao karatra ny olona sasany izay mbola maro tokoa manerana ireo boriboritany ato Menabe ka efa tsy araka intsony koa miantso ireo olona maro mba hiandry ny havitan’ny karatra Sonia ary mbola nanamafy ny prefen’ny Morondava Rafidison Fidèle fa maimaim-poana ny fanaovana sy fanavaozana ny karam-panondrom_pirenena ary mbola ampy tsara ny ren’ny karatra fa nohon’ny hamaroan’ireo olona izao vao taitra manao karatra dia tsy araka sady tsy vita andro iray ny karam-panondrom_pirenena entanina koa ny rehetra mba tsy haka fanahy handoha vola amin’ireo mpandraraha sy tompon’andraikitra ao amin’ny boriboritany fa hanaraka ny lamina, nampatsahivin’ny ihany koa fa samy enjehin’ny lalana na ny mpanome na ny mandray kolikoly
 
Nangonin’i RA PA – Menabe

Related Post