FARITRA MENABE :COACH MPIAHY SA COACH MIADY AMIN’NY JOUEUR ?

221 0

Nahagaga ny rehetra ny zava-misy eto Morondava satria tamin’ny fampihofanana ireo mpitondra cyclopousse nokarakarain’ny fikambanana IO’RENALA dia nilaza ny Filohan’ny fikambana fa hisy ny famelomana ireo loko famantarana eny amin’ny lalana ( marquages au sol ) izay fiarahamiasa eo amin’ireo mpitondra cycloposy sy ny kaominina Ambonivohitry Morondava ary ny fikambanana IO’RENALA aorian’ny fampihofanana saingy nohon’ny fandaminana sy ny andro ratsy dia nokasaina hatomboka androany alina izay efa nandeha tamin’ireo haino vaky jery teto ny fampafantarana izany , gaga anefa ny rehetra fa toa nisy olon-kafa efa niditra nanao fadokona iny alina iny izay toa nanao tsindry avy hatrany; Tsara ilay finiavana sy fifaninana hampandroso saingy ny hita kosa amin’ireo efa vita loko dia tsy misy Fenitra fa Terivay manta hoentina fotsiny hisongonana ny lamina efa nipetraka. Any ka loko manify dia manify ary toa loko tsy natao handokoana arabe akory.
Mametraka fanotaniana ary ny rehetra hoe rehefa coach ve dia manao izay tiany atao fa tsy afaka manaja ny rafitra misy sy ny lamina efa mipetraka ary tsy afaka miresaka ny Tomponandraikitra ifotony amin’izay lamina efa mipetraka satria misy olona mba miezaka manao ihany koa sady manara-dalàna mitady mpiara-miombon’antoka mba hanasoa ity Morondava ity.
Tsara ny manamarika fa loko natokana ho an’ny tara no hetaheta nataon’ny Kaominina ary dia nahazo valiny mahafapo avy amin’ny fikambanana IO’RENALA izany.

Malalaka ny Kianja hafahana misehatra amin’ny fampandrosoana ny tanana hiara-manana fa maninona ilay mpanazatra indray no mandeha misisika baolina eny ankianja amin’ny asa efa voafaritra toy izao ary amin’ny fikambanana izay misehatra @ fampandrosoana.
Efa amambolana no tsy vita ny birao-pokontany Tsimahavaokely eo akaikin’ny tranon’ny mpanazatra ka miantona ao ny asa nefa efitra roa madinika. Tsy aleo aloha vitaina ny eo ambany maso zay vao mandeha misahirana manaloka ny hafa. Ary rehefa tsy maintsy hisisika ihany dia mba ataovy zavatra tsara no omena an’ny vahoaka fa ho raisinay hankafaliana.

Related Post

𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎

Posted by - janvier 21, 2025 0
𝐎𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 « 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 » 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐘 𝑨𝑴𝑩𝑨𝑻𝑶𝑳𝑨𝑴𝑷𝒀 21-24…