FARITANY MAHAJANGA | OLONA 1000 NIARA-NISITRAKA FANAMPIANA ARA-TSOSIALY

165 0

FARITANY MAHAJANGA | OLONA 1000 NIARA-NISITRAKA FANAMPIANA ARA-TSOSIALY AVY AMIN’NY VPAN SOAFILIRA PRINCIA TAMIN’NY ALALAN’NY ZOMA FIFANAMPIANA.

Hetsika nanamarika an-dRtoa Soafilira Princia nandritra ny nitazomany ny andraikitra Minisitry ny Mponina azy ny fisian’ny hetsika « Zoma Fifanampiana ».

Tetikasa nataony ho fizarana sy fanampiana sokajin’olona fa indrindra ireo marefo amin’ny alalan’ny tohana ara-tsosialy.

Mitohy izany amin’izao izy Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena Faritany Mahajanga izao. Ka mponin’ny Disitrikan’i Mahajanga I avy amin’ireo fokontany 26 voasokajy ho tena sahirana miisa 1000 no nahazo anjarany ny zoma 16 Aogositra teo amin’ny tokotany malalaky ny Tranoben’ny Kolontsaina Boeny. Vary 25kg, menaka 1litatra, ronono mandry iray boaty no azon’ireo mpisitraka tombontsoa.

Nanome voninahitra an’izao fotoana notarihan’ny VPAN Mahajanga Soafilira Princia izao ireo Governora sy Solombavambahoaka ary Loholona voatendry sy voafidy anaty Faritany Mahajanga. Fantatra moa hitohy amin’ny toerana hafa ny hetsika amin’ny fotoana manaraka.

Nampitain’i Gabin Eloi

Related Post

𝗡𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗶𝗻𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗶𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗭𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿y

Posted by - décembre 1, 2025 0
FORT-DAUPHIN. HAZOLAVA 𝗡𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗶𝗻𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗶𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗭𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿𝘆 𝘀𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗶𝘃𝗮𝗿𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗺𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗦𝗲𝗸𝗼𝗹𝗶𝗻-𝗱𝗿𝘆 𝗺𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮 𝗲𝗼 𝗧𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗮𝗼,…