MINISTERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA – FANAMAFISANA NY FAMPIATAOVANA HO AN’NY HAINO AMAN-JERY FANJAKANA ANY AMIN’NY FARITRA

67 0

Nambaran’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Atoa Gascar Fenosoa, fa efa an-taonany maro izay no nahitana olana goavana teo amin’ny fampitaovana ireo haino aman-jerim-panjakana miasa any ivelan’Antananarivo. Nambarany fa io tsy fahampian’ny fitaovana io no anisan’ny nitarika fahasahiranana teo amin’ny fahafahan’ireo sampan-draharaha mampita vaovao sy fandaharana am-potoana ho an’ny vahoaka.

Araka ny fanazavany, ny tsy fahampian’ny fakantsary, ny fitaovana fanapariahana, ireo fitaovana arofanina, ary ny fotodrafitrasa teknika dia mety hiteraka fahatarana sy olana amin’ny fampitana vaovao marina, haingana ary mivantana amin’ireo mponina any ambanivohitra sy faritra lavitra. Izany indrindra no mahatonga ny olom-pirenena sasany tsy mahazo vaovao ara-potoana momba ireo raharaha nasionaly sy ny fiainam-pirenena.

Fanolorana fitaovana vaovao ho an’ny RNM sy TVM Ambatolampy

Ho setrin’izany olana izany, dia notanterin’ny Ministera ny fanolorana andiana fitaovana vaovao ho an’ny RNM sy TVM ao Ambatolampy. Tafiditra ao anatin’izany ny fakantsary vaovao, fitaovana fandraketana sy fanapariahana feo sy sary, ary kojakoja ilaina amin’ny fanarenana ny herijika teknikan’ny sampana.

Notsindrian’Atoa Gascar Fenosoa fa tanjona mazava ny fanatsarana sy fanavaozana ny asa fanaovan-gazety sy fandefasana fandaharana eny ifotony, mba hahazoan’ny vahoaka any amin’ny distrika rehetra vaovao marina, azo antoka, ary mivantana, tsy miankina intsony amin’ny sakana ara-teknika sy fitaovana efa malemy.

Fanoloran-tena amin’ny fanarenana ny fahazoam-baovao eny ifotony

Nanamafy ihany koa ny Minisitera fa hitohy hatrany ny fanavaozana sy fampitaovana amin’ny sehatra rehetra, ho fanamafisana ny andraikitry ny haino aman-jerim-panjakana amin’ny maha-fitaovana lehibe azy amin’ny fampahafantarana, fanabeazana ary fanentanana ny vahoaka.

Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

𝗙𝗔𝗡𝗔𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗢𝗠𝗕𝗔𝗡’𝗘𝗭𝗔𝗞𝗔 𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗔𝗦𝗔 𝗩𝗜𝗧𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬

Posted by - août 31, 2024 0
𝗛𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗳𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗮𝘀𝗮 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 mifanaraka amin’ny voarakitra ao amin’ny Drafitra…