Tontosa androany tetsy Ivotoro ny atrikasa fandravonana sy fanamafisana ireo voka-pakan-kevitra natao manerana ny faritra eto Madagasikara, mikasika ny tetikasa fanavaozana ny lalร na mifehy ny serasera sy ny fahalalahana maneho hevitra.
Ity dingana ity dia manamarika fivoarana lehibe aminโny fanatsarana ny tontolonโny serasera, izay kendrena ho mifanaraka aminโny zava-misy ankehitriny sy ny fivoaranโny teknolojia, sady miantoka ny fahalalahana maneho hevitra sy ny asa fanaovan-gazety malalaka sy tomponโandraikitra.
๐๐ฎ๐ธ๐ฎ๐ป-๐ธ๐ฒ๐๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐ถ๐๐ฎ๐บ-๐ฝ๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ, ๐ฑ๐ถ๐ป๐ด๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ถ๐ฎ๐น๐ผ๐ต๐ฎ ๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ๐๐ผ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ
Talohanโizao atrikasa izao dia efa notanterahina tany aminโny faritra maro ny fakan-kevitra nifandray aminโireo mpisehatra isan-tsokajiny. Tafiditra ao anatinโizany ny tao Analamanga, Diana, Boeny, Matsiatra Ambony ary Atsimo Andrefana.
Nandritra ireo fihaonana ireo no nahafahanโireo mpandray anjara naneho ny ahiahiny sy ny tolo-keviny, indrindra momba ireo andinin-dalร na heverina fa mety hanohintohina ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahana aminโny asa fanaovan-gazety.
Vokatry ny fanangonana ireo hevitra ireo, dia miroso aminโny fandrindrana sy famintinana azy ny Minisitera, mba hahafahana manolotra fanitsiana sy fanavaozana hentitra sy mifototra aminโny zava-misy.
๐๐ถ๐๐ถ๐ฎ๐ปโ๐ถ๐ฟ๐ฒ๐ผ ๐๐ผ๐บ๐ฝ๐ผ๐ปโ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ๐ถ๐ธ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ ๐ฟ๐ฎ๐ณ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐บ๐ฝ๐ถ๐๐ฒ๐ต๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ
Nanatrika sy nanome lanja ny fotoana ny Sekretera Jeneralinโny Minisitera misahana ny Serasera sy ny Kolontsaina, Rasolofonirina Miary, nisolo tena ny Minisitra Gascar Fenosoa.
Niara-nanotrona azy ny Tale Jeneralinโny Serasera, Rakotomalala Faly Mahefanirina, izay nandray anjara mavitrika taminโny fanatanterahana ireo dingana rehetra nanomboka taminโny fakan-kevitra hatraminโizao fandravonana izao.
Anisanโireo niara-niasa akaiky taminโny fanatanterahana ny dingana ny Komity manokana ivondronanโny mpanao gazety (Comitรฉ adโhoc) tarihinโi Andriamanambe Raoto, sy ny Komity vonjimaika hisolo toerana ny Holafitry ny mpanao gazety (CTOJM) notarihinโi Raharison Andry.
๐๐ฎ๐ป๐ฎ๐บ๐ฏ๐ ๐๐ฎ๐ผ๐๐ฎ๐ผ : ๐ป๐ผ๐บ๐ฒ๐ฟ๐ถ๐ธ๐ฎ, ๐๐ ๐ฎ๐ฟ๐ ๐๐ผ๐ป๐๐ผ๐น๐ผ๐ปโ๐ป๐ ๐๐ฎ๐บ๐ฏ๐ฎ๐ท๐ผ๐๐ฟ๐ฎ
Ankoatra ny fanadihadiana ireo lalร na efa misy, dia nifantoka ihany koa ny adihevitra taminโny fanamby ateraky ny fivoaranโny teknolojia.
Anisanโizany ny fidiranโny faharanitan-tsaina artifisialy (IA), ny fivelaranโny tambajotra sosialy, ary ny fiarovana ireo mpandrisika an-tambajotra na โinfluenceursโ, indrindra fa ny fanasongadinana ny asan’ireo Mpanao Gazety an’habaka (Presse en ligne)
Tanjona aminโizany ny fametrahana rafitra ara-dalร na manara-penitra, mahavaly ny zava-misy ankehitriny, nefa tsy manimba ny zo fototry ny fahalalahana maneho hevitra.
๐๐ถ๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ต๐ฎ-๐บ๐ถ๐ฎ๐๐ฎ ๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ถ๐๐ฎ๐บ-๐ฝ๐ถ๐ฟ๐ฒ๐ป๐ฒ๐ป๐ฎ
Niara-niasa taminโny fanatanterahana ireo fakan-kevitra ny PNUD, ny UNESCO ary ireo fikambanana tsy miankina miaro ny zonโny mpanao gazety.
Nandray anjara taminโity atrikasa ity ihany koa ny Tale misahana ny UNESCO ho anโny faritra Afrika Andrefana, Ramatoa Hito Misako, sy ny manampahaizana manokana momba ny fahalalahana maneho hevitra avy aminโny Firenena Mikambana, Joan Barata.
๐ ๐ฎ๐ป๐ธ๐ฎ๐ป๐ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐ฎ๐ผ๐๐ฎ๐ป๐ฎ ๐น๐ฎ๐น๐ถ๐ป๐ฎ
Ity atrikasa fandravonana ity no mamaritra ny dingana manaraka aminโny fanavaozana ny sehatry ny serasera eto Madagasikara.
Vinavinaina hiteraka rafitra mazava, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, ary manome antoka ny fahalalahana sy ny maha-matihanina ny asa fanaovan-gazety, ny voka-pikarohana sy ny tolo-kevitra hivoitra avy aminโizao dingana izao.




