Fandraisana anjaran’ny Faritra amin’ny fanamboarana ny lalana makany Anosibe an’ala

550 0
👉Fandraisana anjaran’ny Faritra amin’ny fanamboarana ny lalana makany Anosibe an’ala niarahana tmain’ireo solombavam-bahoaka voafidy tao Moramanga sy Anosibe an’ala, ireo zanaka am-pielezana, mpandraharaha ary ireo rehetra mpampiasa ny lalana, eo amin’ny PK5 ka hatramin’ny PK20, izay natao teto amin’ny fokontanin’ny Sahafitana, kaominina Ambohibary, distrika Moramanga.
👉Tonga nitarika izany ny Governoran’ny Faritra Alaotra-Mangoro Dr Guy RAMAROSANDRATANA, ny député LOVA voafidy tao Moramanga sy solotenan-dRtoa député VIRGINIE, ary député FANO voafidy tao Anosibe an’Ala.
Tonga nanome voninahitra sady nisolo-tena ny Ministeran’ny Asa Vaventy, ny Tale rezionaly ao amin’ny faritra Alaotra-Mangoro sy ny Sefo Distrikan’ny Moramanga, ireo Ben’ny tanana, ireo Sefo fokontany, ireo Assistants Parlementaires, ireo Conseillers techniques, ireo Operateurs économiques, ireo olo mana-kaja sivily sy miaramila, ireo zanaka am-pielezana, ireo mpanao gazety ary ireo vahoaka maro.
✅Araky ny nolazain’Atoa Governoranan’ny faritra dia tena mampijaly ary tena ratsy ny lalana mampitohy an’ny Moramanga sy Anosibe an’ala. Manoloana an’izany dia mahatsiaro manana adidy ny Governora sy ireo solombahoaka, ka nahatonga azy ireo nandray andraikitra nampivory ireo zanaka am-pielezana sy ireo operateurs economiques rehetra avy aty Anosine an’ala. Tao aorian’ireo fivoriana maro dia tapaka fa ho atomboka ny asa ary natsangana ny « comités » maromaro hitantana sy hanara-maso an’ity asa ity.
✅Ity lalana ity moa dia route nationale RNT23A koa dia tsy maintsy nodinihana niaraka tamin’ny Ministry ny Asa vaventy mialohan’izao fanombohana asa izao.
👉Noho izany, dia fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana tanteraka no ahafahana manomboka ity asa ity, ary isarorana manokana ireo izay efa nanolotra fanampiana ho amin’izany. Nisy ihany koa ny « demande sponsoring » izay natao tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpiara miasa maro.
🙏Nisaotra manokoana ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA moa ny Governora ny Faritra Alaotra-Mangoro noho ny fanomezana ireo Engins ireo mba ahafahana manao ny asa fanamboaran-dalana tahak’izao, ary indrindra mba tsy hisy intsony ny kaominina adino araky ny vinan’ny Filoha.
👉Ho an’ireo rehetra izay efa nanome fanampiana sy ho an’ireo izay mbola hanome dia afaka manaramaso ny vola ao amin’ ny comité mpitantana izany amin’ny fotoana rehetra.
‼️Samy nanambara izay nandray fitenenana, na ny Governora na ny solombavam-bahoaka, manentana ny vahoaka handray anjara ho fanohizana ny asa ary hitandrina sy hikajy ny asa vita.
✅Nofaranana tamin’ny fitsofan-drano izao fanamboaran-dalana izao moa ity fotoana ity.
Nangonin’i Lova Janà
©️📸: Governora Alaotra Mangoro

Related Post

𝗡𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗶𝗻𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗶𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗭𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿y

Posted by - décembre 1, 2025 0
FORT-DAUPHIN. HAZOLAVA 𝗡𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗶𝗻𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗶𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗭𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿𝘆 𝘀𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗶𝘃𝗮𝗿𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗺𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗦𝗲𝗸𝗼𝗹𝗶𝗻-𝗱𝗿𝘆 𝗺𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮 𝗲𝗼 𝗧𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗮𝗼,…

𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀 – 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍-𝐃𝐎𝐇𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐀𝐌𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐎𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀.

Posted by - avril 11, 2025 0
𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀 – 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍-𝐃𝐎𝐇𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐀𝐌𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐎𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀. Ny lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian no mitarika ny delegasionina aty Toliara.…