Notanterahina taty amin’ny Faritra Boeny, teto amin’nyRenivohitry ny Faritra teto Majanga ny faha 03 ka hatramin’ny faha 05 volana Aogositra taona 2024 lasa teo ny « Festival de l’Ecologie 2024 ». Hetsika iray nokarakarain’ny Fikambanam-behivavy FARM ( Femmes en Action Rural de Madagascar), niarahan’izy ireo tamin’ny Fikambanan’ny Tanora RJDD
Tamin’ny alalan’ity hetsika ity no nanamafisan’izy ireo ny hai-taky amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fanentanana amin’ny fifehezana ny fako plastique, ary indrindra ny hijerena manokana ireo vokatra simika izay tena mandripaka ny zava-manan’aina ao anaty ny tontolo iainana.
Hetsika maro loko no nentina nanamarihana izany andro izany , niantomboka tamin’ny filaharam-be namakivakay ny tanana, narahina teny fanentanana samy hafa, tsy latsa-danja ihany koa ny hira izay niompana indrindra ny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Tonga nitarika ity « FESTIVAL DE L’ECOLOGIE 2024 » Ramatoa Filoha Nasionaly ny Fikambanana Farm, Ramatoa RAVONIARISOA Hantanirina Lilia, izay nanatitratitra tamin’ny lahateny nataony fa tsy maintsy harovan-tsika ny tontolo iainana mba ho lova sarobidy hapetraka hoan’ny taranaka mifandimby.
FIOFANANA SY FIANARANA HAI-RAHA
Fa ankoatry ny hetsika nanamarihana ny « FESTIVAL DE L’ECOLOGIE 2024 » dia niatrika fofaana maro lafy ihany koa ireto Fikambanam-behivavy FARM ireto, anisan’izany ny fiofanana manokana manoloana ny ady hatao amin’ny herisetra, na mivantana na ankolaka.
Tao ihany koa ny fiofanana mahakasika ny fanaovana ranon-tsavony, izay tena ilaina amin’ny andavanan’androny vehivavy tokoa, Mpampiofa niofana manokana mahakaska ny fanaovana Savony no nitondra ny fiofanana.
Teo ihany koa ny fiofanana mahakasika ny fahaiza-mitarika, izay nampanaovin’Ramatoa Filoha.
Tiana ny manamarika, fa saika nahatonga solon-tena avokoa ny faritra rehetra nandritr’izao « FESTIVAL DE L’ECOLOGIE 2024 » izao.
Fantatra fa any Vakinankaratra indray no hankalazaina ity hetsika ity amin’ny taona ho avy
Nangonin’Lay Mahintsy