FANAMARIHANA NY ANDRO MANERANTANY IADIANA AMIN’NY FANARARAOTANA MAMOAFADY

4 0

๐Ÿ”ด Efa manomboka hita ny fiovan’ny olona amin’ny fomba sy fihetsika amam-panao manodidina ny fanararaotana mamoafady raha mbola tena narefo izany teo aloha hoy ny avy eo anivon’ny ECPAT FRANCE.

๐Ÿ”ด Efa manomboka sahy mitoroka ny olona ary eo ihany koa ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana amin’ny fanamafisana sy fampihร rana ny lalร na saingy mila hamafisina hatrany ka hanentanana ny rehetra.

๐Ÿ”ด Ireo toerana handehanan’ny mpizahatany toa an’i Nosibe Hell Ville ary Morondava no tena mahazo vahana ny trangana fanararaotana mamoafady eto Madagasikara.

๐Ÿ”ด 40 isanjaton’ny ankizy mampiasa aterneto no tratran’ny trangana fanararaotana mamoafady amin’ny aterneto araka ny fanadihadiana nataon’ny Ecpat France tamin’ny faritra 06 teto Madagasikara .

๐Ÿ”ด Hisy ny fanavaozana ny antotanisa atsy ho atsy fa raha ny antotanisa farany tamin’ny taona 2018 no tsiahivina dia ny 10 isanjaton’ny ny ankizy 15 hatramin’ny 19 taona no iharan’ny herisetra ara-nofo.

๐Ÿ”ด Omaly 04 martsa ny andro manerantany iadiana amin’ny fanararaotana mamoafady ka tafiditra ao anatin’ny fanamafisiana ny ady manodidina izay indrindra,nanamafy ny fiarahamiasa amin’ireo sehatra samihafa ny Ecpat France, isan’izany ny mpanao gazety ka nisy fihaonana teo amin’ny roa tonta omaly teny amin’ny Motel Anosy ho fanatsarana ny fiarahamiasa .

๐Ÿ”ด Hetsika samihafa ihany koa no hotanterahan’izy ireo eto an-drenivohitra mandritra ity herinandro ity ho fanamarihana ny andro manerantany hiadiana amin’ny fanararaotana mamoafady ka isan’izany ny teny amin’ny sekoly Adventiste Soamanandrariny omaly tolakandro nampahafantarina ireo ankizy ny zony sy ny fihetsika tokony hataony raha misy trangana fanararaotana mamoafady.

๐Ÿ“ M.Elvina

Related Post

DISITRIKA NY BENENITRA

Posted by - janvier 18, 2025 0
Tontosa androany ny Fambolen-kazo ato Faritra Atsimo Andrefana ka nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany teto amin’ny Disitrika ny Benenitra .…

๐—Ÿ๐—ฌ๐—–๐—˜๐—˜ ๐—ฃ๐—ข๐—Ÿ๐—˜ ๐— ๐—ข๐—ฅ๐—ข๐—ก๐——๐—”๐—ฉ๐—” ๐—›๐—”๐—ฅ๐—˜๐—ก๐—œ๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—˜๐—™๐—™๐—œ ๐—ฆ๐—ฌ ๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—”๐—œ๐—ก๐—ง๐—œ๐— ๐—ข๐—Ÿ๐—”๐—Ÿ๐—ฌ

Posted by - septembre 9, 2024 0
๐‘จ๐’“๐’‚๐’Œ๐’š ๐’๐’š ๐’…๐’Š๐’…๐’Š๐’Ž-๐’‘๐’‚๐’๐’‹๐’‚๐’Œ๐’‚๐’๐’‚ ๐’๐’‚๐’‰๐’‚๐’“๐’‚๐’๐’‚ 2024-068 ๐’•๐’‚๐’Ž๐’Š๐’โ€™๐’๐’š 23 ๐‘ฑ๐’‚๐’๐’๐’‚๐’“๐’š 2024 ๐’Š๐’›๐’‚๐’š ๐’Ž๐’Š๐’•๐’‚๐’Œ๐’š ๐’๐’š ๐’‡๐’‚๐’๐’‚๐’—๐’‚๐’๐’›๐’‚๐’๐’‚ ๐’๐’š ๐‘ญ๐‘ฌ๐‘ญ๐‘ญ๐‘ฐ ๐’†๐’๐’š ๐’‚๐’Ž๐’Š๐’โ€™๐’๐’š ๐‘ฌ๐‘ท๐‘ท ๐’”๐’š ๐‘ช๐‘ฌ๐‘ฎ…