Distrikan’Antsalova | 4000 ireo dahalo niova fo taorian’ny hetsika TAGNAMARO

167 0
 4000 ireo dahalo niova fo taorian’ny hetsika TAGNAMARO notanterahan’ny teo anivon’ny OMC niaraka tamin’ny solombavambahoaka tao amin’ny distrikan’Antsalova OSLO SANDLAND.
 Miandahy miambavy izy ireo ary tsy noterena fa an_tsitrapo tanteraka raha ny fanazavan’ny solombavambahoaka androany.
 Nihena tanteraka vokatr’izany ny trangana tsy fandriam_pahalemana ao amin’ity distrika ity raha toa ka saika isanandro teo aloha misy trangana halatr’omby hatrany amin’ny 50 isa.
 Na izany aza anefa tsy ampy ny isan’ny mpitandro ny filaminana ka hanaovan’ny solombavambahoaka ao an_toerana antso avo .
 Eo ihany koa ny fanampiana ireo olona niova fo ireo eo anivon’ny fiarahamonina mba tsy hiverina hanao ny asa ratsiny intsony.
Nangonin’i M.Elvina

Related Post

Fanamarihana ny 29 mars Antsirabe.

Posted by - mars 29, 2025 0
Fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangam-bato manoloana ny garan’Antsirabe no nentina nanamarihana ny 29 marsa fahatsiarovana ireo maherifon’ny firenena tany Antsirabe.Nanotrona…