Distrikan’Antsalova | 4000 ireo dahalo niova fo taorian’ny hetsika TAGNAMARO

136 0
 4000 ireo dahalo niova fo taorian’ny hetsika TAGNAMARO notanterahan’ny teo anivon’ny OMC niaraka tamin’ny solombavambahoaka tao amin’ny distrikan’Antsalova OSLO SANDLAND.
 Miandahy miambavy izy ireo ary tsy noterena fa an_tsitrapo tanteraka raha ny fanazavan’ny solombavambahoaka androany.
 Nihena tanteraka vokatr’izany ny trangana tsy fandriam_pahalemana ao amin’ity distrika ity raha toa ka saika isanandro teo aloha misy trangana halatr’omby hatrany amin’ny 50 isa.
 Na izany aza anefa tsy ampy ny isan’ny mpitandro ny filaminana ka hanaovan’ny solombavambahoaka ao an_toerana antso avo .
 Eo ihany koa ny fanampiana ireo olona niova fo ireo eo anivon’ny fiarahamonina mba tsy hiverina hanao ny asa ratsiny intsony.
Nangonin’i M.Elvina

Related Post

𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐍`𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀

Posted by - mars 1, 2024 0
𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐍`𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀- 𝐍𝐈𝐅𝐀𝐍𝐓𝐎𝐊𝐀 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍`𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐎𝐉𝐀𝐊𝐎𝐉𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐈𝐍-𝐓𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐀𝐑𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐋𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐊𝐈𝐙𝐘 𝗡𝗬 𝗦𝗘𝗞𝗢𝗟𝗬 𝗠𝗔𝗠𝗣𝗜𝗡𝗚𝗢   Tsy nataon`ny mpitantana ny…