DISTRIKA MIANDRIVAZO SY MANDOTO ARY TSIROANOMANDIDY HAMETRAKA FANDRIAM_PAHALEMANA IRAISANA

329 0
Ny sabotsy 20 jolay no notanterahina tao amin’ny fokotany Madiokely izay efi-tany mampisaraka ny distrikan’i Tsiroanomandidy sy Miandrivazo ary Mandoto ny fampivondronan-kery teo amin’ny zandary miasa amin’ny distrika telo mpifanilambodirindrina izay notarihin’ny komandin’ny vondrotobim-paritra isany,
Miandrivazo,Tsiroanomandidy Ary ny lefitra voalohany ny komandin’ny vondrotobim-paritra Mandoto.
Vahoaka an’arivony mahery no tonga niaraka tamin’ireo ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Belobaka sy Anjomaramartine ary Dabolava.
✅Nisy ny fifampizarana traikefa mahomby tamin’ireo zandary miasa ao anatin’ny distrika telo momba ny paik’ady amin’ny tsy fandriampahalemana,
✅Ary tapaka tamin’izany fa hamafisina ny fifanomezan- tanana eo amin’ireo mponina sy zandary ao anatin »ny kaominina mpifanilambodirindrina mba hisorohana ny asan-dahalo.
✅Ho an’ny distrikan’i Miandrivazo dia efa nahitana vokatra noho ny fiaraha-miasa ny mpian-tsehatry ny fandriampahalemana rehetra.
✅Hanaovana tanamaro toy izany koa ao anatin’ny fotoana fohy,araka ny tapaka ny hametrahana fandriampahalemana ao anatin »ny kaominina Anjomaramartine distrikan’i Mandoto,Belobaka sy Bemahatazana samy distrikan’i Tsiroanomandidy.
✍️Ra-Pa Menabe

Related Post

𝗛𝗖𝗗𝗗𝗘𝗗 : 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗜𝗗𝗬 𝗝𝗮𝗺𝗲𝘀 𝗥𝗮𝗺𝗮𝗿𝗼𝘀𝗮𝗼𝗻𝗮 𝗛𝗜𝗦𝗢𝗟𝗢𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔𝗢 𝗚𝗔𝗭𝗘𝗧𝗬

Posted by - février 2, 2024 0
 𝗛𝗖𝗗𝗗𝗘𝗗 : 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗜𝗗𝗬 𝗝𝗮𝗺𝗲𝘀 𝗥𝗮𝗺𝗮𝗿𝗼𝘀𝗮𝗼𝗻𝗮 𝗛𝗜𝗦𝗢𝗟𝗢𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔𝗢 𝗚𝗔𝗭𝗘𝗧𝗬 Tontosa, ny alakamisy 1 febroary 2024, ny fifidianana ny solotenan’ny Ordre…

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗻𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗶𝗻𝗼 𝗦𝗶𝗹𝗮𝗺𝗼

Posted by - juillet 20, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗻𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗶𝗻𝗼 𝗦𝗶𝗹𝗮𝗺𝗼 (𝖭𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗓𝖺𝗒 𝗁𝗈 𝖿𝗂𝗅𝗈𝗁𝖺 𝗂𝗓𝗒 𝗂𝗋𝖾𝗈, 𝗏𝗈𝖺𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂 𝖠𝗅𝗒)…