๐Œ๐๐€๐๐€๐Ž ๐†๐€๐™๐„๐“๐˜ ๐€๐Ž ๐“๐’๐ˆ๐‡๐Ž๐Œ๐๐„ ๐๐ˆ๐‡๐€๐‘๐€๐โ€™๐๐˜ ๐‡๐„๐‘๐ˆ๐’๐„๐“๐‘๐€ ๐๐€๐“๐€๐Ž๐โ€™๐๐˜ ๐’๐Ž๐‹๐Ž๐Œ๐๐€๐•๐€๐Œ๐๐€๐‡๐Ž๐€๐Š๐€

18 0
Zava-nitranga manafintohina sy mampalahelo no niseho indray tany aminโ€™ny faritra atsimonโ€™ny Nosy. ๐‘๐€๐˜๐Œ๐Ž๐๐ƒ ๐‰๐ž๐š๐ง ๐๐š๐ซ๐œ๐ข๐ฌ๐ฌ๐ž, ๐ฆ๐ฉ๐š๐ง๐š๐จ ๐ ๐š๐ณ๐ž๐ญ๐ฒ ๐š๐จ ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐‘๐๐Œ ๐“๐ฌ๐ข๐ก๐จ๐ฆ๐›๐ž ๐ฌ๐š๐๐ฒ ๐ƒ๐ž๐ฅ๐ž๐ ๐ฎ๐ž-๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐Œ๐ข๐ง๐ข๐ฌ๐ญ๐ž๐ซ๐š๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐’๐ž๐ซ๐š๐ฌ๐ž๐ซ๐š, no voalaza fa niharanโ€™ny herisetra ara-batana nataonโ€™ny Solombavambahoaka iray.
Araka ny fanazavana azo, dia nitranga ny Alatsinainy 08 Desambra 2025, tao aminโ€™ny toerana antsoina hoe SUZY, Tsihombe, izany tranga izany, nandritra ny fivoriana iray natao tany an-toerana. Tao no nihaonanโ€™ilay Mpanao Gazety sy ny Solombavambahoaka Tolia Bernard. Raha vao nahita ny fisianโ€™i RAYMOND Jean Narcisse ity farany dia nilaza tsy misy hatakโ€™andro fa tsy mahazo miditra ao aminโ€™ilay efitrano izy.
Rehefa nangataka fanazavana momba izany fandrarร na izany ilay Mpanao Gazety, dia tsy nisy valiny ara-dalร na fa tosika sy tehamaina avy hatrany no navaliny azy, ary mbola narahina fihetsika feno herisetra teo imasonโ€™ny olona maro.
Soa ihany anefa fa nisy olona tonga niditra an-tsehatra haingana sy niaro ilay Mpanao Gazety, ka tsy nitarika fahavoazana lehibe kokoa ny zava-nitranga.
Tsy tranga tokana intsony izao herisetra mianjady aminโ€™ny Mpanao Gazety izao tato ho ato. Tsiahivina fa vao haingana dia nisy fanambanana fitaovam-piadiana nihatra taminโ€™ny Talenโ€™ny Fanoratana ao aminโ€™ny gazety โ€œFeonโ€™ny Demokrasiaโ€ tany Itasy, ary nisy ihany koa Mpanao Gazety dimy mirahalahy voalam-baraka taminโ€™ny alalanโ€™ny tambajotra sosialy, nataonโ€™olona mitondra sata ara-pivavahana. (Pastora)
Raha ny voalazanโ€™i RAYMOND Jean Narcisse, dia mety misy ifandraisany aminโ€™ny fifanolanana ara-politika teo aloha izao tranga izao, satria mpifaninana taminโ€™ny fifidianana solombavambahoaka farany izy sy ilay olom-boafidy.
Manoloana izao zava-misy izao, miantso amim-panajana ny tomponโ€™andraikitra rehetra ny Mpanao Gazety sy ireo mpiaro ny fahalalahanโ€™ny asa fanaovan-gazety, mba hijery akaiky ity raharaha ity sy handray fepetra manoloana ny herisetra sy fanaratsiana mihatra aminโ€™ny Mpanao Gazety, indrindra any aminโ€™ny faritra atsimonโ€™ny Nosy.
Nohezahina nikaroka ny fifandraisana tamin’Andriamatoa Solombavambahoaka fa tsy nahita izahay. Raha ny karoka rehetra natao dia tsy mampiasa Tambazotra Sosialy ny tenany, ary tsy hanananay eto anivon’ny fanoratana ny laharana findainy
Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post