Commune Tamatave Suburbaine,District Toamasina II | Toerana maro no dibod-rano

229 0
Commune Tamatave Suburbaine,District Toamasina II.
Vokatry ny rotsak’orana dia betsaka ny toerana dibod-rano ary nisy fiantraikany tamin’ny fiainam-bahoaka izany satria nisy ireo voatery niala ny trano fonenany ary tsy afaka nanohy ny asa fivelomany.
 
Androany dia nanatanteraka asa tanamaro,nanadio lakan-drano ireo vahoaka tao anatina fokotany vitsivitsy. Nidina ifotony nitondra tohana na fanampiana ara-tsakafo ho azy ireo ny Ben’ny Tanana CHARLES Barisaonina sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky.
 
Hentitra ny Ben’ny Tanana tao antoerana raha nilaza fa handraisana fepetra ireo minia manao fanorenana tsy ara-dalana ,indrindra fa ireo manorina trano na toeram-pivarotana manamorona ny lakan-drano.
 
Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐀𝐌𝐎𝐈𝐕𝐎𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟕 – 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘

Posted by - janvier 14, 2024 0
𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐀𝐌𝐎𝐈𝐕𝐎𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟕 – 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘 — Taxi brousse mpitatitra olona avy any Ambositra hankany Fianarantsoa io atoandro…