Nisokatra taminโny fomba ofisialy androany Sabotsy 15 Novambra 2025 ny Guichet Unique ao anatinโny Lapanโny Faritra Atsinanana. Ity rafitra ity dia natao hanamora sy hanamailo kokoa ny fandraisanโandraikitry ny sampandraharaha rehetra tafiditra aminโny fanangonana sy fanondranana letchi, mba hanamafisana ny fahaiza-mitantana sy hampihenana ny olana teknika sy ara-pitantanana mandritra ny taom-piotazana.
Tonga nijery sy nandinika akaiky ny fizotry ny asa ao an-toerana ireo Mpanolo-tsaina Avo momba ny Fanavaozana ny Repoblikanโi Madagasikara, notarihinโi Colonel Gervais ANDRIAMIARISOA. Nandinika ny fomba fampandehanana ny Guichet Unique izy ireo, indrindra fa ny fomba ifanarahanโireo mpandraharaha sy ny sampan-draharaha misahana ny fanaraha-maso ara-teknika, ny kalitao ary ny fanondranana.
Nandritra ny fivoriana sy fifanakalozan-kevitra niarahana taminโireo tomponโandraikitra, dia nanome toromarika hentitra ho anโireo mpikambana ao aminโny GEL (Groupement des Exportateurs de Letchi) ny delegasiona, indrindra ireo miandraikitra ny fanangonana sy fitaterana ny vokatra. Nohamafisiny ny maha-zava-dehibe ny:
Fifampitsinjovana sy fifanajana eo aminโireo mpanangom-bokatra sy ny mpandraharaha,
Fiarovana ny kalitaonโny letchi, izay tena manan-danja aminโny tsena iraisam-pirenena,
Fandaminana hentitra aminโny fitaterana sy fanangonana, mba hisorohana ny fahatarana sy ny fahapotehanโny vokatra.
Nampitaina ihany koa ny antso avo momba ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana mandritra ny vanim-potoananโny piotazana. Araka ny nambaranโi Colonel ANDRIAMIARISOA, โtsy maintsy misy ny fandriam-pahalemana mba hahafahanโny orinasa miasa am-pilaminana ary hahazoana vokatra avo lenta entina ivelanโny firenenaโ.
Fantatra fa efa misokatra tsikelikely ny tsena any ivelany, indrindra any Eoropa, ka ilaina ny fitandremana ny fenitra iraisam-pirenena aminโny kalitao sy ny famonosana. Ny Guichet Unique dia natao indrindra hanamora izany fifandraisana sy fanaraha-maso izany.
Nangonin ‘Lay Mahitsy




