Nisokatra taminβny fomba ofisialy androany Sabotsy 15 Novambra 2025 ny Guichet Unique ao anatinβny Lapanβny Faritra Atsinanana. Ity rafitra ity dia natao hanamora sy hanamailo kokoa ny fandraisanβandraikitry ny sampandraharaha rehetra tafiditra aminβny fanangonana sy fanondranana letchi, mba hanamafisana ny fahaiza-mitantana sy hampihenana ny olana teknika sy ara-pitantanana mandritra ny taom-piotazana.
Tonga nijery sy nandinika akaiky ny fizotry ny asa ao an-toerana ireo Mpanolo-tsaina Avo momba ny Fanavaozana ny Repoblikanβi Madagasikara, notarihinβi Colonel Gervais ANDRIAMIARISOA. Nandinika ny fomba fampandehanana ny Guichet Unique izy ireo, indrindra fa ny fomba ifanarahanβireo mpandraharaha sy ny sampan-draharaha misahana ny fanaraha-maso ara-teknika, ny kalitao ary ny fanondranana.
Nandritra ny fivoriana sy fifanakalozan-kevitra niarahana taminβireo tomponβandraikitra, dia nanome toromarika hentitra ho anβireo mpikambana ao aminβny GEL (Groupement des Exportateurs de Letchi) ny delegasiona, indrindra ireo miandraikitra ny fanangonana sy fitaterana ny vokatra. Nohamafisiny ny maha-zava-dehibe ny:
Fifampitsinjovana sy fifanajana eo aminβireo mpanangom-bokatra sy ny mpandraharaha,
Fiarovana ny kalitaonβny letchi, izay tena manan-danja aminβny tsena iraisam-pirenena,
Fandaminana hentitra aminβny fitaterana sy fanangonana, mba hisorohana ny fahatarana sy ny fahapotehanβny vokatra.
Nampitaina ihany koa ny antso avo momba ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana mandritra ny vanim-potoananβny piotazana. Araka ny nambaranβi Colonel ANDRIAMIARISOA, βtsy maintsy misy ny fandriam-pahalemana mba hahafahanβny orinasa miasa am-pilaminana ary hahazoana vokatra avo lenta entina ivelanβny firenenaβ.
Fantatra fa efa misokatra tsikelikely ny tsena any ivelany, indrindra any Eoropa, ka ilaina ny fitandremana ny fenitra iraisam-pirenena aminβny kalitao sy ny famonosana. Ny Guichet Unique dia natao indrindra hanamora izany fifandraisana sy fanaraha-maso izany.
Nangonin ‘Lay Mahitsy





