๐…๐ข๐Ÿ๐ข๐๐ข๐š๐ง๐š๐ง๐š ๐•๐Œ๐“ ๐“๐จ๐š๐ฆ๐š๐ฌ๐ข๐ง๐š โ€“ ๐‚๐ฅ๐š๐ฎ๐๐ข๐š ๐“๐’๐ˆ๐“๐Ž๐‹๐Ž๐Œ๐˜ ๐‹๐š๐ง๐ฒ ๐ˆ๐ง๐๐ซ๐š๐ฒ ๐ก๐จ ๐…๐ข๐ฅ๐จ๐ก๐š

180 0
๐Ÿ“Œ Toamasina โ€“ Tontosa ny Alarobia 04 Jona 2025 ny fifidianana ho filohanโ€™ny Vehivavy Mpanao Gazety eto Toamasina (VMT). Ramatoa Claudia TSITOLOMY, izay efa nitana io andraikitra io teo aloha, no voafidy indray hitondra ny fikambanana nandritra ny fe-potoana vaovao haharitra telo taona. Nahazo vato 14 tamin’ireo 21 narotsaka izy, porofo mazava fa mbola velona ny fitokisanโ€™ny mpikambana aminy.
๐Ÿ“Œ Mpanao gazety sady fanta-daza amin’ny fahaiza-mitarika sy ny finiavana aminโ€™ny asany i Ramatoa Claudia TSITOLOMY. Miasa ao aminโ€™ny Televiziona SISEL izy ankehitriny, ary anisanโ€™ireo mpanao gazety mpisehatra mavitrika eo anivonโ€™ny Feonโ€™ny Demokrasia. Izy no misolo tena ity sehatra ity aty aminโ€™ny faritra Atsinanana, izay anisanโ€™ny faritra manana ny lanjany manokana eo aminโ€™ny fanabeazam-bahoaka sy ny fanamafisana ny demokrasia aminโ€™ny alalanโ€™ny asa fanaovan-gazety.
๐Ÿ“Œ Nandritra ny fitantanana nataony teo aloha, dia efa hita taratra ny ezaka lehibe nataony taminโ€™ny fampiroboroboana ny maha-matihanina ny vehivavy mpanao gazety sy ny fanamafisana ny firaisankina eo aminโ€™ny mpikambana. Tanjona napetrany aminโ€™ity fe-potoana vaovao ity ny fanohizana sy fanamafisana ny fanofanana, ny fiarovana ny zonโ€™ny vehivavy mpanao gazety, ary ny fametrahana sehatra iaraha-misalahy aminโ€™ny fampandrosoana ny asa fanaovan-gazety eto an-toerana.
โ€œAdidy ngeza no hiantsorohako, saingy miaraka aminโ€™ny fanohananareo dia ho tanteraka ny vina sy tetikasa entina manome lanja ny vehivavy mpanao gazety eto Toamasina,โ€ hoy izy taorianโ€™ny nahafantarana ny voka-pifidianana.
๐Ÿ“Œ Miarahaba sy mirary soa azy aminโ€™ny asa miandry indray ny fianakaviambenโ€™ny VMT, ary manantena fandrosoana sy firaisankina bebe kokoa eo aminโ€™ny sehatry ny asa fanaovan-gazety eto aminโ€™ny Faritra Atsinanana.
๐Ÿ”ณ ๐‘ต๐™–๐’๐™œ๐’๐™ฃ๐’Š๐™ฃ’๐™ฃ๐’š ๐‘ฌ๐™ ๐’Š๐™ฅ๐’‚๐™ฃ’๐™ฃ๐’š ๐‘ญ๐™š๐’๐™ฃ๐’š๐™™๐’†๐™ข๐’๐™ ๐’“๐™–๐’”๐™ž๐’‚

Related Post

โ€œ๐“๐ฌ๐ฒ ๐ซ๐š๐ซ๐ข๐ง๐ฒ!โ€ โ€” ๐“๐จ๐ฏ๐จ๐ฏ๐š๐ฏ๐ฒ ๐ฆ๐ฉ๐ข๐š๐ง๐š๐ญ๐ซ๐š ๐ข๐ซ๐š๐ฒ ๐ฅ๐š๐ฌ๐ข๐›๐š๐ญ๐ซ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐ก๐ž๐ซ๐ข๐ฌ๐ž๐ญ๐ซ๐š๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐ฆ๐ฉ๐ข๐ญ๐š๐ง๐๐ซ๐จ ๐Ÿ๐ข๐ฅ๐š๐ฆ๐ข๐ง๐š๐ง๐š

Posted by - octobre 5, 2025 0
๐—™๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—ฟ๐—ฎ๐˜๐—ฎ๐—ป๐—ฎ : ๐—ง๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐—ต๐—ผ๐—ฒ ๐—ถ๐˜‡๐—ฎ๐—ผ ๐—บ๐—ถ๐—ต๐—ถ๐˜๐˜€๐˜† ๐˜ƒ๐—ฒฬ ๐—ฟ๐˜† ๐— ๐—ฝ๐—ถ๐˜๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ผ ๐—ณ๐—ถ๐—น๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐—ผ ๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐˜† ๐˜๐—ถ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ฟ๐—ฒ๐—ผ ๐—ต๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ต๐—ผ๐—ป๐—ฎ๐˜† ?? Tovovavy mpianatra iray eny aminโ€™ny…